10:30 > Nangala-bato?… hisy farany!

Nangala-bato ka dia efa manantena
Fa tsy maintsy ho anareo ny fandresena?
Izany ve no mba toe-tsaina arangaranga
Ry mpanaraka an’ilay hoe lavasanga?

Nangala-bato ka dia miomana hifety,
Fa tsy tia ny lala-marina sy ety?
Izany ve no mba toe-tsaina atao modely
Ry mpanaraka ny dian’i boaikely?

Nangala-bato ka dia mbola avo vava
Fa mahery hatrany hatrany ny mpandrava?
Saingy raha mikasika ny fananganana
Dia taranja tena tsy mba manavanana?

Nangala-bato ka hanohy ny hasomparana
F’efa izay no tena marika ahafantarana?
Irony ampitso anefa hanana ny hambarany.
Izay natomboka rehetra, hisy farany !

DADAN’i ZINA (19-12-18)