01:30 > Bileta tokana fangalaram-bato naterina tao amin’ny QG KMMR

Bileta tokana maromaro naterin’olona tsara sitrapo teto amin’ny QG KMMR izao alina izao, raha tokony ho izy dia rahampitso maraina vao hivoaka izy ireto saingy nisy namoaka mialoha. Izy ireo dia natokana ho an’ ANTANANARIVO FAHA-2, saika hanaovana fangalaram-bato izy ireto.