19:00 > Imprimerie nationale – Nogiazana ny karapanondro maro sy ny milina

Nanambara ny procureur de la république Razafimelisoa Odette Balisama fa manana adidy lehibe amin’izao fifidianana izao, ary efa nidina ifotony teny amin’ny “Imprimerie National” ny tenany ka tazana tao fa nisy ny karapanondro maro be. Manoloana izany dia noraisiny ny fepetra ka nogiazana ny milina mpanonta ireo karapanondro. Araka ny nambarany hatrany dia afaka matoky ny vahoaka malagasy fa tsy hiasa mandritra ny fifidianana ireo karatra ireo.