19:30 > Serge Zafimahova mamaly ny fanambaran’i Norbert Ratsirahonana

Valin-kafatra avy amin’andriamatoa #Serge_Zafimahova mikasika ny fanambarana nataon’ingahy Norbert Lala Ratsirahonana, lehilahy lehibe tokony hanaja tena nefa mbola miteniteny foana ary manodina ny zava-nisy araka izay itiavany azy.

Araho ato ny « révélations » momba ny :
– Nahatonga azy ho praiministra
– « Empêchement » n’ny profesora Zafy Albert
– Dakar 2 sy ny resaka foko
– Fanakatonana ny VIVA
– Rova may

Tsotra ny hafatra : « Aoka izay ny « manipulation » sy ny fanimbàna ity firenena ity, tompon’andraikitra tamin’ny famitahana tamin’ny fomba samihafa mamoheatra sy nampifanolana teto amin’ity firenena ity ianao. Ka ankehitriny, mahaiza mipetraka misotro ronono fa aza miteniteny foana fa tsy azo ekena intsony ny fomba fanao ratsinao hatramin’izay tsy nitondra afa-tsy fahapotehana. »