16 Desambra – Ny mpandresy tamin’ny ady hevitra mivantana Ravalomanana vs. Rajoelina

Ravalomanana no nandresy tamin’ny adihevitra nivantana faharoa tao amin’ny TVM, araky ny fanadihadiana natao tamin’ny mpihaino sy mpijery taorian’ny fandaharana.

72%. ny mpihaino sy mpijery no nilaza fa azo atokisana ary izy no mendrika ho Filoha hitondra an’I Madagasikara. 11% ihany no nilaza fa mahatoky an-dRajoelina.