14:00 > Thierry Rakotonarivo – CENI – Manova fitsipi-dalao ady hevitra Ravalomanana vs. Rajoelina

Thierry Ravelonarivo

Fantatra araky ny vaovao azo dia i Thierry Rakotonarivo Filoha lefitry ny CENI no nandray fanapahan-kevitra irery mikasika ny tsy fahafahan’ireo mpanohana ny Kandida hiatrika ilay adi-hevitra raalina.

Ny 17 Novambra lasa teo dia nisy zava-nitranga tao amin’ny CENI nandritra ny famoahana vonjimaika ny voka-pifidianana teny Nanisana, ny maraina iny mihitsy no niteny i Thierry Rakotonarivo tamin’izay niangavy ny mpikambana tao amin’ny CENI mba tsy hamoaka ny voka-pifidianana noho ny fangatahan’i Andry Rajoelina.

Nandohalika sisa no tsy nataony ity Filoha lefitra ity nandritra izay fotoana izay.

Alina indray dia fantatra fa izy no tao ambadika ny tsy famelàna ireo Kandida tsy hanatrika ity adi-hevitra ao amin’ ny TVM ity.

Ny alakamisy teo anefa dia efa nanapaka ny CENI, niaraka tamin’ ireo solon-tenan’ny Kandida roa, ary ny Televisiona Malagasy, tapaka tamin’izany fa olona 27 no afaka hanatrika ity adi-hevitra ity.

Alina anefa dia nandefa taratasy tany amin’ny kandida tsirairay avy izy ny fanafoanana ny fanatrehan’ireo mpanohana ny kandida tsirairay avy.