12:30 > Foloalindahy Malagasy – Tsy hanaiky ny fanakorontanana

Mangina tanteraka hatreto ny foloalindahy, hafa ny tamin’ny taona 2009. Amin’ny ankapobeny, sarotra ho azy ireo aloha no hirona any amina loko politika, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

Midika izany fa misy fivoarana be ny eo anivon’ny foloalindahy satria tsy hanaiky atao fitaovana intsony izy ireo. Raha tsiahivina, tamin`ny 16 novambra lasa teo ny foloalindahy no nanao fanambarana iombonana ary nanao fampitandremana fa tsy mila korontana. Tamin’ny feo mahery nefa feno fahatoniana no namakian’ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny fanambarana iraisan’ireo lehibe eo anivon’ny Tafika Malagasy sy polisim-pirenena ary zandarimariam-pirenena tamin’izany. Nanamafy ihany koa ny hafatra manokana nataon’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Gal Rasolofonirina Xavier Beni, ho an’ny vahoaka Malagasy, nandritra ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpisehatra amin’ny serasera avy amin’ny foloalindahy, ny alakamisy 06 desambra 2018, mba ho tony sy hilamina ary hifanaja fa tsy hifampiantsy sy hifandranitra amin’ny tsy fitoviana ara-poto-kevitra politika ao aloha sy mandritra ary aoriana. Mivonona amin’ny fiarovana ny tanindrazana manoloana an’ireo manana sain-dratsy hampisavorovoro ny firenena ny mpitandro ny filaminana mba hisorohana ny korontana.

Gazety Tia Tanindrazana