13:00 > Kandidà lah.13 – Miasa ny maizina – Kaominina Ambohimalaza Antananarivo Avaradrano – Ben’ny tanàna Mbola

Ny 7 Desambra 2018 lasa teo dia nampiantso ny mpanao vato rehetra ny ben’ny tanànan’Ambohimalaza Miray Antananarivo Avaradrano. Tao anaty ny andraikitra sahaniny no nanaovany izany.

Nihevitra ny olona fa ho fanatsarana asa sy fiarahamiasa eo anivon’ny kaominina sy ny mpanao vato no anton-dresaka hifanaovana, kinanjo tetika mifono politika maizina.

Rehefa tafavory tao amin’ny efitrano fisoratam-panambadian’ny kaominina ireo voaantso sy i Mbola ben’ny tanànan’Ambohimalaza, dia nanambara ity farany fa afabaraka noho ny fandresen’ny kandidà laharana-25 lavitra ny kandidà laharana-13.

Ka dia norahonany tsy hahazo hampiasa ny lalana intsony ireo mpanao vato raha tsy lany eo i Andry Rajoelina. Ny lalana anefa dia tamin’ny vanim-potoana nitondran’i Marc Ravalomanana no nanamboarana azy.

Mitohy arak’izany ny fanaovana ramatahora ataon’ny mpomba ny kandidà laharana 13.

Nizara ny akanjo volomboasarin-dRajoelina koa ny ben’ny tanàna tao amin’ny efitranon’ny kaominina.

Manana vavolombelona amin’ireo mpanao vato ary manana rakitsoratra momba ireo fiantsoana ny mpitatitra ny vaovao.

Manao antso avo ny mpomba an’i Dada avy ao Ambohimalaza Miray mba ho mailo daholo satria ankevitry ny tsy mahatanty resy ny mpomba ny kandidà 13 teo amin’ny kaominina dia mitady hamboly korontana.