10:00 > Faritra Sava, Analanjirofo, Sofia, Diana – Tantely mitondra mamy ho an’ny vahoaka Dada N°25

Isambilo

Nanohy ny fitsidihany tany amin’iny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’i Madagasikara iny omaly sy afak’omaly ny kandidà N°25, Marc Ravalomanana. Tamin’ireo toerana rehetra nolalovany dia nirohotra nanatona azy hatrany ny vahoaka, toy ireny mamy antonin’ny tantely marobe ireny, arak’izany tantely mitondra mamy ho an’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka izay lalovany Dada. Fidio aho hoy izy, fa vonona hitondra ny tena fampandrosoana rehetra ho anareo, na eo amin’ny lafiny sosialy, na eo amin’ny lafiny toekarena. Nanararaotra ihany koa izy, niantso ny vahoaka rehetra ho tonga hifidy ny alarobia 19 desambra ho avy izao ary hahay hifidy mba tsy ho sanatria vato maty ny vato harotsaka. Noho izany, nampianatra ny fampiasana ny biletà tokana tamin’ireo vahoaka marobe tonga nanatrika azy hatrany ny kandidà N°25 Marc Ravalomanana.