EDITO 8 Desambra – Mampiditra mersenera Rajoelina

Rajaonarimpanontsana

Efa tafiditra eto na niniana nampidirin- dRajoelina Andry eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ireo vahiny « Mercenaires », na mersenera, manampahaizana manokana momba ny fifehezana ny fitaovam-piadiana sy ny ady. Tsy vitan’ny hoe naseho vahoaka mihitsy teny amin’ny CCI Ivato, farany teo, ireo vahiny ireo fa narahana fampisehoana fitaovam-piadiana sy fanamiana mihitsy. Mody hoe hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana no itondrana azy ireo, kanefa dia hita mibaribary fa « Mercenaires » no hiara-hiasa aminy.

Raha tsiahivina ny tantara dia ny filoha Marc Ravalomanana no nosoketaina ho mpampiditra vahiny teto, dia iny hitan-tsika iny fa i Andry Rajoelina no tena mpanao azy. Hiarovana ny tenany sy ny fananany ary hamoretana ny mpiray Tanindrazana aminy mba tsy hisy hihetsika na iray aza no tena tanjon-dRajoelina. Nanamafy izany ny fampiasana ny miaramila Capsat sasany sy ireo « Mercenaires » Politika nandritra ny fanonganam-panjakana 2009 farany teo. Na i Dadafara izay nivadika rehefa tsy nahazo izay tombontsoa notadiaviny tany amin’ny kandida Marc Ravalomanana aza dia niaiky fa nanongam-panjakana i Andry Rajoelina tamin’ireny fotoana ireny. Tsy misy Malagasy na iray aza mankasitraka ny fampidirana Mercenaires eto. Manambany ny miaramila, ny Zandary ary ny polisy Malagasy ny fihetsika tahaka ireny ary manao tsinontsinona ny vahoaka Malagasy ihany koa.

Nandritra ny filan-kevitry ny minisitra farany teo, rehefa nanao fanamarihana mahakasika ireny fihetsik’i Andry Rajoelina teny amin’ny CCI Ivato ireny ny filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao dia nahatsapa fa tsy mitondra fitoniana eto amin’ny firenena ireny fa indrindra ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Nirintona nivoaka ny fivoriana nanao loham-boto mihitsy ny Minisitra Mapar iray, Pierre Houlder, satria voatsindrona tany amin’ny ambava-fony ingahirainy. Tsy mahazaka ny marina fa efa zatra ny amboletra sy famoretana. Efa endriky ny faharesen’i Andry Rajoelina izany.

Mahakasika ny tany nomen-dRajoelina Andry ny vahiny indray dia tsy misy tsy mahalala fa efa namidy tamin’ny vahiny ny tany maro eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra. Ohatra amin’ireny ny Fasan’ny Karana , Andohatapenaka, Ankadimbahoaka , Ambohimanambola. Ankorondrano sy ny maro tsy voatanisa, ny fanondranana ny harem-pirenena tsy lazaina intsony, ka raha sanatria ka izy ireo no tonga eo amin’ny fitondrana dia ho betsaka ireo vahoaka no ho voaroaka eo amin’ny toerana sy trano misy azy.

Aoka isika ho tonga saina amin’izay. Ny kandida Marc Ravalomanana dia mbola tsy nandroaka ny mpiray tanindrazana aminy na iray aza fa i Andry Rajoelina kosa sady namono, nandoro ny renivohitr’i Madagasikara no nampandositra ny mpiray tanindrazana aminy teto amin’ity firenena iombonana ity.