Izaho Marc Ravalomanana, kandida laharana faha-25 dia vonona ho filoham-pirenena

Izaho Marc Ravalomanana, kandida laharana faha-25 dia vonona ho filoham-pirenena.

Hitondra sy hitarika, hanambatra sy hampiombona indray ny Malagasy rehetra, hanangana sy hametraka fampandrosoana, hiady amin’ny kolikoly, hametraka fandriampahalemana sy sehatra ahafahana mianatra sy mihary ary mivelona araka ny tokony ho izy.

Tsy hitondra nofinofy fotsiny fa tena hiasa ho anareo, hiasa miaraka amin’ny Malagasy rehetra sy izay te hampandroso ity tany ity.

Koa hiara-hientana isika, tsy ho avelantsika ho simba Madagasikara fa hoarenina sy hatsangantsika indray.

Handray fanapahenkevitra matotra sy mahomby isika amin’ny 19 desambra. Hifidy an’i Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena. Hanamarika ny bileta eo amin’ny laharana faha-25. Handray antanana ny hoavin’i Madagasikara.