19:00 > Zanaka Jeneraly ao amin’ny Primatiora mihoa-pefy

https://www.facebook.com/1909690405921155/posts/2305612302995628/
https://www.facebook.com/1909690405921155/posts/2305612302995628/

Miparitaka amin’ny serasera ny fihetsika mihoa-pefy nasehon’ny zanaka jeneraly iray izay miasa amin’ny fiarovana ao amin’ny Primatiora raha ny tatitra azo.

Raha tokony ho voina tahaka ny izay mety mitranga etsy sy eroa eo anivon’ny fifamoivoizana dia nanjary lasa resabe noho ny fihetsika mahery nataon’ity lehilahy zanaka manam-pahefana ity. Tsy mpitandro filaminanana ny tenany kanefa nanambana basy sy nidaroka ity lehilahy (mpisolo vava no asany) izay toa nandona mpandeha tongotra. Tsy izy irery ihany fa dia nisy namany nidaroka koa.

Soa fa nisy olom-pirenena nandray andraikitra ka teo ny naka horonan-tsary ary teo ny niantso mpitandro filaminana.

Araka ny tatitra azo koa dia miezaka ity ranamana manafina ny tsy mety nataony amin’ny famoronana voina amin’ny tenany, no mandrahona koa izay mampiely ny horonantsary.

Mampitandrina ny mpijery fa misy sary mahery mety hanohina.