12:00 > Marc Ravalomanana – Sioka tokana

Tsy niandry ela fa tao anatin’ny fotoana fohy tokoa dia nihetsika avokoa ny ireo tompon’ andraikitra misahana ny fanalàna fako teto Antananarivo ary nifanome tanana tamin’ny mponina isakin’ny boriborintany enina.

Nanome toky tokoa i Marc Ravalomanana amin’ny fanadiovana ny tanàna, ny CUA, ny SAMVA dia nandray ny andraikiny tandrify azy avokoa.

Nahetsika avokoa ireo kamiao an’ny Kaominina niampy ny an’ny SAMVA ka nanala ireo fako misavovona manerana ny renivohitra.

Nanao be marenina sy masobe tsy mahita ny governemanta Ntsay Christian mikasika ireo loto nivangongo teto an-drenivohitra, ary ninian’ izy ireo nogafiana mihitsy ny kandida Marc Ravalomanana mikasika ny eto Antananarivo, tsapan’izy ireo mantsy ny fitiavan’ Antananarivo ny Kandida ka izao atao antsonjay izao. Tsy nahasakana ny Kandida Marc Ravalomanana anefa izany fa nitady ny vahaolana rehetra izy nanesorana ireo fako nisavovona ireo. Tsy amin’ny maha-mpanolon-tsaina manokana ny ben’ny tanana ihany anefa no nandraisany fanapahan-kevitra fa amin’ny maha-Kandida Filoham-pirenena ny tenany.

Tonga nanolotra fiara be “camion” miisa 20 ny kaomina an-drenivohitra Antananarivo ho an’ny SAMVA, hanalana ireo fako mivangongo eto.

Fiaraha-miasa avy amin’ny kaomina sy ny mpiara-miombon’antoka no nahazoana izao fiara izao. Hiasa andro aman’alina ireto fiara ireto hanampy ny an’ny Samva, manerana ny boriboritany 6 eto an-drenivohitra. Camion miisa 24 no efa niasa nanala ny fako omaly alina ary ireto camion 20 ireto kosa no hanampy izany, hiasa amin’ny andro atoandro.