Fifidianana fihodinana faha-2 – Houssen Abdallah sy Papa Soulé – Hiara-dia amin-dRavalo

Araka ny efa nambara tamin’ny laharana faran’ny gazetinao Ny Valosoa Vaovao, manao tsy omby aloha amin’izao fotoana, ireo mpanao politika, avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, na fikambanana, na olon-tsotra, vonona hiara-dia amin’ny kandidà Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana fihodinana faha-2, hatao ny 19 desambra ho avy izao.

Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, nanambara ny filohan’ny Zanak’Avaratra, Papa Soulé fa hanohana an’i Dada amin’io fifidianana ho avy io. Fantatra ihany koa izao fa efa nihaona tamin’ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM, ny silamo teraky ny distrikan’I Soalala sy avy amin’ny faritra Boeny iny, notarihan’ny ministra teo aloha, sady depioten’I Madagasikara, Houssen Abdallah, arak’izany hiara-dia amin’i Dada koa izy sy ny mpiara-dia aminy. Mbola nohamafisin’ny mpiara-dia aminy izany omaly tany Mahajanga, nandritra ny fihaonana tamin’i Dada tao amin’ny Rouge, izay hipoka olona tanteraka avy amin’ny ankolafin-kery samihafa, avy amin’ny faritra Boeny sy ny manodidina iny.

Vonona hanolo-tanana ny kandidà marc Ravalomanana amin’ny hazakazaka ho eny Iavoloha sy Ambohitsorohitra. Omaly sy afak’omaly, ny faritra Sofia sy Boeny indray no notsidihan’I Dada N°25, nifantohan’ny diany tany amin’ireo faritra ireo ny fankasitrahana ny mpifidy tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany farany teo, fanentanana ihany koa ireo izay tsy nandray anjara tamin’iny fifidianana iny.