14:00 > Depiote Tsimbazaza – Solombavam-bahoaka amin’ny fihinanana fa tsy amin’ny fiarovana

Gazety Tia Tanindrazana – Minisitry ny vola sy ny tetibola “Tia tena loatra ireo depiote”

Fitiavan-tena be no nanjaka teny Tsimbazaza ary tsy navela naneho hevitra sy niteny aho, hoy ny fanambaran’ny minisitry ny vola sy tetibola Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona.

Tonga dia nolaniana tamin’ny tsangan-tanan’izy ireo ny volavolan’ny tetibolam-panjakana na dia nangataka fanazavana sy nampahafantatra ny zava-misy marina aza ny minisitra ka hita ho niova tanteraka ny tetibolam-panjakana. Raha momba ny Komity eto an-toerana ho an’ny fampandrosoana (CLD) izay napetraka ho 250 tapitrisa Ariary ho an’ny distrika iray manana depiote dia nampiakarin’ireto farany ho 400 tapitrisa Ariary isaky ny depiote izany. Miisa 156 anefa ny isan’izy ireo ary raha atao ny kajy dia mitentina hatrany amin’ny 62 400 000 000 Ariary ny fandaniana.

Raha momba ny tetibola fampandehanan-draharahan’ny Antenimieram-pirenena indray dia nampitomboina 11 miliara Ariary ka dia lasa 70 miliara Ariary mihoatra be ny tamin’ny herintaona. Izany hoe betsaka lavitra noho ny vola atontona amin’ny fambolena sy ny fahasalamana indray aza ny tetibolan’ny Antenimieram-pirenena amin’ny taona 2019. Ahazoana mameno an’io fanovana io dia nilaza ireto depiote fa tokony hotapahana hatrany amin’ny 50 miliara Ariary ny fanampiana ny JIRAMA. Nanambara anefa ny minisitra fa tena mbola ilaina ny fanampiana ny JIRAMA satria mbola mivarotra fatiantoka hatrany ny JIRAMA hatreto ka ahiana hatrany, araka izany, ny mbola mety ho fisondrotana aterak’ity fanapahan-kevitra miharo fitiavan-tenan’ny depiote ity.

Ankoatra izay dia mangataka ireo depiote ny hanapahana ihany koa ny vola laniana amin’ny fitsaboana ataon’ny mpiasan’ny minisiteran’ny vola sy tetibola ankoatra ireo hafa izay notakiana hotapahina ihany koa.

Lany taorian’ny fanitsiana izany ny volavolan’ny tetibolam-panjakana ary saika ny fitiavan-tenan’ireo depiote hatrany no mibahan-toerana, hoy ny minisitra.