Kandidà miisa 34 – Ny 70% no efa nifampiantso tamin-dRavalo

Kandidà miisa 34 – Ny 70% no efa nifampiantso tamin-dRavalo

Nangonin’Isambilo

Tamin’ny fandalovan’ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna Marc Ravalomanana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly, nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataony mahakasika ihany koa ny lafiny politika.

Dinidinika

Mpanao Gazety (MG) : Manao ahoana hatreto ny fahitanao ny voka-pifidianana ?

Filoha Marc Ravalomanana (FMR) : Miandry am-pitoniana ny vokatra ofisialin’ny HCC isika. Na izany na tsy izany, vonona tanteraka hiatrika ny fihodinana faharoa ny tenako mba hisehoan’ny safidim-bahoaka marina. Tsy misy fepetra apetrako ho an’ireo izay te-hanohana ahy. Ho an’ireo kandidà 34 nirotsaka hofidiana tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany, efa ny 70%-n’izy ireo no nifampiantso tamiko ary mety hanohana.

MG: Misy ve ny fiaraha-miasa eo aminao sy ny antoko HVM ?

FMR: Efa misy ! ary mandeha « automatique » izany fiaraha-miasa izany eo amin’ny ben’ny tanàna HVM satria betsaka ny ben’ny tanàna HVM sy TIM mifankahita amiko any am-pandehanana any ka izaho tsy mandà ny hiara-miasa amin’ireny. Mbola tsy nisy kosa ny fifampidinihana momba izany teo amiko sy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina.

MG : Voizin’ny sasany hoe manavakavaka foko sy ny eny ambany tanàna ianao, aiza ho aiza ny amin’izay ?

FMR: Ahoana no anavakavahana olona nefa ny asa ataoko dia ho an’ny olona rehetra : manamboatra lalana mankany aminy aho, manome asa, mampianatra ny zanany, tena te hanampy ny olona eny ambany tanàna ny tenako fa tsy marina izany. Olona niara-niasa tamiko teo aloha nilaza fa akaikin’ny olona eny amin’ireny toerana ireny no tsy faly dia nanaparitaka izany tsaho izany dia nandaitra, dia mino koa ny avy eny ambany tanàna. Nefa ny ahy dia « actions » no tiako hatao fa tsy vava fotsiny, tena hanampy aho, tena hamonjy aho ary hampivoatra ny fiainan’izy ireny aho.

MG : Misy ny resaka hala-tahaka amin’ny fizaràna kits scolaires, manifesto, ny fahitanao izany?

FMR : Samihafa ny kopia sy ny tena « original », ary tena ho samihafa, ny iray nofinofy ary tsy izy no namorona azy. Fa ity manifesto ity niainga tamin’ny fikarohana izay hampandroso an’i Madagasikara, natao teny malagasy izay vao nadika tamin’ny teny vahiny. Ny maika izao dia hatao ny lalana, hananganana orinasa sy toeram-pitsaboana, hampiakarana ny sandam-bola malagasy, hampiharina ny « décentralisation effective » hanome hasina ny fokontany sy ny sefom-pokontany, ao koa ny ben’ny tanàna,… Hampiakarina ny hambompo maha malagasy mba tsy ho « yes man » na «oui m’sier » foana no atao eto. Hamafisana ny fifandraisana amin’ny any ivelany amin’ny alalan’ny fametrahana ny masoivoho any amin’ireo firenena matanjaka toa an’i Allemagne, Frantsa, Vondrona Eoropeana,… izay tsy misy masoivohontsika ankehitriny.

MG: Nanakatona orinasa ianao fony teo amin’ny fitondràna, mbola hanakatona indray izany ianao rehefa tonga eo amin’ny fitondràna ?

FMR: Raha nisy orinasa nidina tamin’izany dia hosokafana indray izy ireo mba hisian’ny fifaninanana. Raha tiana handroso ny ekonomia eto Madagasikara dia avela hanjaka ny fifaninanana amin’ny lafiny rehetra.

MG: mMisy amin’izao ny fanenjehana ireo olona manampy anao, ny fahiatanao izany?

FMR: Voalohany aloha, tena faly aho ary misaotra ireo olona manampy ahy, toy ny antoko HVM ary koa ny mpanolotsaina manokan’ny filoha toa an-dry Mbola Tafaray sy ireo ministra miaraka aminy, isaorako ny fisian’ireny olona ireny, ka tsy ho malailay fonosana aho, ny hahasoa ny firenena no kendrentsika miaraka, izay no mahatonga ilay filamatra vaovao hoe « Hampiombona mba hampitovy lanja » : hampiombona ny mpanao politika maromaro mba hampitovy lanja ny vahoaka malagasy sy hialàna amin’ny fizarazarana hiatrehana ny fihodinana faharoa.

MG: Tsy te hiditra amin’ny fihodinana faharoa ny ankabeazan’ny mpanao politika ary mangataka fanafoanana ny fifidianana na miroso amin’ny tetezamita, ahoana ny amin’izay?

FMR: Lazaiko aminareo, tsy afaka misahana irery ny fikarakarana ny fifidianana izany i Madagasikara fa miankina be dia be amin’ny fanampiana avy any ivelany, izay no anton’ny « basket fund ». Raha misy ary ireo mpanao politika nahazo vato mikofokofoka dia tsy afaka mandika ny lalàm-panorenana ny CENI. Fa tsy maintsy mizotra io matoa nandrotsaka vola 1 tapitrisa Euros ny Vondrona Eoropeana, ary neken’ny « observateurs » na ny mpanara-maso izay nanara-maso ny fifidianana, tsy afaka miolonolona irery i Madagasikara fa tsy maintsy miaraka amin’ny firenen-dehibe, ka raha mikononkonona izy ireo na mitady hanakorontana, tany misy fanjakana anie ity e.