EDITO 27 Novambra – Tsy ho azo ihodivirana ny fihodinana faharoa

Isambilo

Anisan’ny vaovao hanamarika ity herinandro ity ny hamoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany natao teto amintsika ny 7 novambra lasa teo.

Raha ny vokatra vonjy maika teny amin’ny CENI, na ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, hirosoana ny fifidianana filohampirenena fihodinana faharoa eto amintsika ny 19 desambra ho avy izao. Na izany na tsy izany, tsy maintsy handrasana aloha ny vokatra ofisialin’ny fifidianana havoakan’ny andrimpanjakana etsy Ambohidahy. Ireo kandidà nahazo ny laharana roa voalohany vonjy maika tamin’iny fifidianana iny dia toa efa miomana ho amin’io fihodinana faharoa io. Ny kandidà Andry Rajoelina ny herinandro teo dia nankasitraka ireo mpifidy azy tamin’ny faritra iva teto Antananarivo Renivohitra, nizara koa izy vary mora tany Toliara. Ho an’ny kandidà Marc Ravalomanana, nankasitraka ireo mpifidy koa izy tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy ny herinandro teo iny : tany Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana, Ihorombe ary tao Vakinankaratra. Izany rehetra izany dia efa ao anatin’ilay antsoina hoe : “pré-campagne” indray ho an’ireo kandidà 2 ireo, fa mody ny fankasitrahana ny mpifidy no nitondrana ny fihaonana tamin’ny vahoaka. Ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany koa dia efa te hiteny fa hisy ny fihodianana faharoa eto amintsika, efa namatsy vola izany ny Vondrona Eoropena ny herinandro lasa teo.

Dia samy miandry am-pitoniana ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC isika, voalaza fa rahampitso alarobia tsy miverina no hanaovany izany.