12:20 > 17 Marsa 2009 – Famindram-pahefana – Ratsirahonana – Vavolombelona Itompokovavy Razoarivelo Rachel (HCC, 2009)

Ity témoignage nataon’ny Itpkv Me Razoarivelo Rachelle mpikambana HCC t@ 2009 …

17 mars 2009.
nandondona tao ambaravarana tao ingahy Ratsirahoanana Norbert Lala – ary rehefa nampidirina moa izy dia ny miaramila mitam-basy mifahana no nialoha lalana ary misy miaramila 2 miandry ery @ vavahady fidirana ary miaramila maro ao ivelany.

dia tsy misy resaka n’inon’inona (hoe courtoisie), ary tsy misy fanajana na kely aza Ratsirahoana fa tonga dia hoy izy hoe soniavo ity..

Dia inona io?
Soniavo fotsiny hoy Ratsirahoanana.
Andraso aloha ho dinihiko fa aiza koa no tonga dia soniavina ?
Dia niantso an’i Président HCC Ratsirahonana … dia avy teo dia niantso azy ity farany … (elaela ny fifampiresahana antarobia)
-Tsy manaiky izany za hoy izy fa ahoana tokoa moa?

Teo anelanelany dia miezaka mandresy lahatra azy Ratsirahoanana fa tsy misy miditra ao andohany izay nolazainy

Avy teo dia niantso azy ny zanany vavy izay mipetraka any tanjombato.

Taorinan’ny antso nataon’ity zanany dia nanao sonia izy.

io ilay ordonnance n° 2009 – 002 du 17 mars 2009 namindra ny fahefana feno ho an’i Andry Rajoelina

Nitomany moa izy … ary rehefa nohazavainy taty aoriana dia nanaiky nanao sonia izy satria efa voadidina miaramila sy tontakely ny tranon’ny zanany ao Tanjombato fa raha tsy nanao sonia io decret io izy dia nodoran’ireo ny trano sy tanana.

Rehefa andeha hiala teo Ratsirahoanana dia nisy olona iray ihany bras droit an’i Ratsirahoanana nanatitra malette misy vola 80 millions ariary omena azy … fa tsy noraisiny.

Ampamoaka