Biraom-pifidianana – Vato tokana na aotra – Mbola hitranga ve?

Mivoaka ao amin’ny tranonkalan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjy maika isaky ny birao manerana ny Nosy, 24828 amin’ny 24852, izay andrasana vokatra ofisialy avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

Nitondra resabe moa ny vokatra tsikaritra teny amin’ny birao sasantsasany araka ny tazana teny amin’ny serasera teny. Ka andeha hoe jerena taiza ohatra ireto kandidà roa volahan-daharana amin’ity fihodinana voalohany ity no tsy nitoko na nahazo vato singany iray teo anivon’ny faritra rehetra.

Raha ny kandidà laharana-13 dia mitontaly 131 ny biraom-pifidianana nahitana voka-pifidianana aotra na iray fara-fahabetsany.

Raha jerena kosa ny an’ny kandidà laharana-25 dia mahatalanjona fa avo folo heny mahery be izao ka mahatratra 1724. Mitombina ve izany?

Mmhhh!… Aleo ny fihodinana faharoa no hanambara ny tena safidin’ny Malagasy. Mbola hahatratra aman’arivony tahak’izao ve ny biraom-pifidianana ahitàna vokany aotra na tokana ho an’i Dada?

Samia maminany!

Lanzelo

Lisitry ny biraom-pifidianana nahitana vato iray raha be indrindra ho an’ny kandidà n°13: tsindrio eto

Lisitry ny biraom-pifidianana nahitana vato iray raha be indrindra ho an’ny kandidà n°25: tsindrio eto