14:30 > Antananarivo – Tsy maintsy miala ny fako!

Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny alatsinainy 19 novambra lasa teo, nijery ireo fako misavovona teny Alarobia, Vasakaosy tsenan’ny Atody, Anosivavaka ary Ankadifotsy dia tsy niandry ela ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa avy hatrany dia nanamafy ny fanampiana ny SAMVA amin’ny fandraofana ny fako, na tsy andraikiny aza izany.

Ny zava-dehibe araka ny toromariky ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana dia tsy azo atao sorona ny vahoakan’Antananarivo sy ny tanàna amin’ny maha soa iombonan’ny Malagasy azy. Araka izany, nanomboka androany alakamisy 22 oktobra dia hamafisina ny fanadiovana ny tanàna amin’ny fanomezan’ny kaominina sy ny malala tanana fiarabe amam-polony hampiasain’ny SAMVA handraofana ny fako.

Manome toky ny ao anivon’ny tanànan’Antananarivo tarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa afaka andro maromaro dia hisy vokany eto amin’ny tanànan’Antananarivo ny asa fanomezana tanana ny SAMVA mba hampadio ny tanàna.

Na izany aza anefa dia manainga ny mponina mba hanaja ny ora fanariana ny fako eny amin’ny dabam-pako dia amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina, ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Olivier Randrianarisoa, nandritra ny fanaraha-maso nataony sy ny mpiara-miasa eo anivon’ny tanànan’Antananarivo, teny amin’ny faritr’Andohatapenaka sy 67ha.