15:30 > TSY MILA MPANGALATRA NY FIRENENA

Mpangalatra indray ity no toa avo vava,
Mampiakatra feo sady mivatravatra:
“Tsy maintsy mandresy i boaikely mpandrava
Na inon-kidona na inon-kihatra !”

Mpangalatra indray ity no miantso polisy,
Dia gaga sy zendana ny olon-drehetra.
Ny hevitra tsara va re no tsy misy
Sa tena dahalo ka tia amboletra ?

Mpangalatra indray ity no heno mitrena,
Kanefa matahotra fampitahana ?
Sao efa nilaozan`ilay fahendrena
Ry sefon’ny lainga sy ny fandravana ?

Dia indro tebahina ireo izay miteny
Satria mihevi-tena fa efa mpitondra ?
Ny fomba fisainana tahak’ireny
Ilay an’ny biby tahaka ny ampondra !

… Zahay dia tsy mila mpangalatra intsony
No tena tsy mila boaikely mpandrava,
Koa aza mandihy mbola tsy afa-tavony,
Lalao mbola ho ela, diavolan-ko lava !

SEDERA RAVALISON (21-11-18)