Antananarivo – Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana Tsy afa-mangina intsony manoloana ny fivangongoan’ny fako

Tsy afa-mangina intsony manoloana ny fivangongon’ny fako hatrany eto amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ny Ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana.

Ny SAMVA no miandraikitra ny fanesorana ny fako ary tsy miankina amin’ny kaomina Antananarivo Renivohitra (CUA) intsony izy fa amin’ny Ministeran’ny rano. Niantso ny SAMVA handray ny andraikitra napetraka taminy araka izany ny tenany amin’ny fandraofana ny fako ara-potoana fa mitera-doza ho an’ny mponina izany. Niantso ny orinasa Jirama ihany koa ny tenany ny amin’ny fandoavana ny hetra tamberina tokony haloany amin’ny Samva, fa ny kaomina efa mahaloa hatrany ny anjarany ary toy izay koa ny ministera. Mahagaga, hoy izy, fa efa nisy kamiao tonga, natolotra ho an’ny Samva, kanefa tsy mbola miasa hatramin’izao. Tokony hisy ny fifarimbonana ho an’ny ministera voakasik’izany amin’ny hivoahan’izy ireo haingana. Raha ny nambarany mantsy, araka ny resaka nifanaovany tamin’ny minisitra, androany alatsinaniny, dia antony ara-taratasy no sakana ny amin’ny tsy hivoahan’izy ireo hiasa. Tsy ekena raha toa ka ny SAMVA no tsy manao ny asany hoy izy dia ny vahoakan’Antananarivo no mizaka izany. Tsy ekena raha toa ka ny SAMVA no tsy mahavita ny asany ka ny Kaominina no mizaka ny fanomezan-tsiny.

Tao aorian’izay fanambarana nataon’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izay, niara-nitafa tamin’ny mpanao gazety kosa avy eo ny tale jeneralin’ny SAMVA sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny ben’ny tanàna. Ny tsy fahampian’ny kamiao hiasa handraoka fako no tena olana lehibe ho an’ny SAMVA ka antony tsy fialàn’ny fako, raha ny nambaran’ny tale jeneraliny, kolonely Rakotoarivony William. Ny 2012 ny SAMVA no nanana kamiao farany niasa. Ny volana aprily 2018 no tapitra ny fifanarahana tamin’ireo mpiara-miasa ”prestataires”, ary efa natao ireo dingana maro isan-karazany hamerenana izany kanefa manahirana ny SAMVA ny fivadiky ny vaomiera misahana izany. Ny volana Oktobra lasa teo no nanomboka nivaha ny olana mikasika izany, satria teo vao vita ny fifanarahana tamin’ny tompon’andraikitra nasionaly mpanao ny tsenam-baro-panjakana na CNM. Nampitarazoka ny asa io fikarakaran’ny CNM io satria ny SAMVA dia miasa amin’ny kaominina ka tsy tokony rafitra nasionaly no niandraikitra ny fanaovana ny tsenam-baro-panjakana tamin’ny famerenana ireo mpiara-miasa amin’ny SAMVA, hiara-hiasa aminy indray. Nohamafisiny fa vao ny telo volana voalohany tamin’ity taona ity no anjara vola naloan’ny orinasa Jirama. Nambarany ihany koa fa tsy misy hatak’andro no hanalàn’izy ireo ny fako vantany vao tonga eo aminy ny kamiao hiasa. Nentaniny ny mponina mba hanaja ny ora fanariana fako, izay amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina ary nampitandremany ny amin’ireo orinasa manary ny fakony eny amin’ny toeran-jaoridira natao ho an’ny vahoaka.

Ny filohan’ny filan-kevitry ny tanànan’Antananarivo, kolonely Faustin Andriambahoaka kosa indray dia nanambara fa hasiana Polisy Monisipaly sy tompon’andraikitra amin’ny Boriboritany 6, hiandry ireny toeram-panariana fako ireny, ary hanasazy ireo tsy manary tsara ny fako amin’ny dabam-pako sy tsy manaja ny ora fanariam-pako.