08:00 > Noterena ho lany 1er Tour ilaikely, kanjo diso kajy

Tsy nahomby ny teti-dratsin’ilaikely sy ny CENI hampandany azy 1er tour. Ireto ny kajy sy fandrika efa novelarin’izy ireo :

1. FANAPENAM-BAVA : IZAY LAZAINY NO TSY MAINTSY MARINA
– Tsy mahazo manao “sondage” sao manome vokatra hafa toy ny mety ho fitarihan’ny kandida hafa ka maha be ahiahy ny vahoaka sy ny mpanara-maso
– Tsy mahazo mamoaka vokatra ny kandida aorian’ny fifidianana (fandraràna natao peta-toko haingana tao) na dia tsy ofisialy aza, na dia fanomezam-baovao ny mpanara-dia fotsiny ihany koa aza.

2. AMBOARINA NY “OPINION PUBLIQUE”
Omanina mialoha ny saim-bahoaka mba hino mora kokoa fa hoe lany ilaikely.
– Manatontona vola be, atao feno olona ny fihaonana na dia taterina sy karamaina aza.
– Ny vokatra avy any Mahajanga (maromaro mpanara-dia azy any) no navoaka mialoha indrindra ny alin’ny fifidianana ary notazomina teo efa ho 2 andro misesy (noferana ny vokatra hafa nampidirina ka 6% monja no mbola voakirakira hatramin’ny 9 novambra). Mba hino mora ny rehetra fa lasan’ilaikely ny fifidianana.
– Ampidirina farany indrindra ny vokatra avy @ faritra ahazoan’ilay be ronono vokatra ambony.

3. GIAZANA SAMIRERY VOKA-PIFIDIANANA
Giazana tsy hisy afaka hanamarina sy hampitovy :
– Tsy avoaka isaky ny birao ny vokatra fa tonga dia safo be mantsina isaky ny distrika (tsy ahafahana manara-maso ny BV io)
– Amboarina na lavina mihitsy raha mety ny BV atahorana (natao BV anomalies). 4 000 isa mahery ny BV anomalies, mbola tsy nisy toa izany hatramin’ny fahaleovantena raha mbola fifidianana.
– Misy BV anomalies nanjary no-traiténa tsy hay hoe nahoana. Nihena ny isan’ny BV anomalies kanefa ny HCC no hany manome Didy azo ampiasaina na tsia azy ireny. Tsy mbola namoaka didiy momba ny BV anomalies ny HCC hatreto anefa.

4. NY TSY NAMPOIZINY KA NAMPITSEFOTRA NY KAJY
4.1. Eo amin’ny mpifanandrina:
– Ambony loatra ny vato azon’ilay be ronono (saika mihoatry ny 50%) ka nanjary ny fanapenana vatony no lasa hamehana. Hany ka mitarazoka tsy fidiny ny asa famoahana vokatra (misy natao BV anomalies maro, misy natao 0% fotsiny izao izy na dia eo @ quartier générale-ny aza, misy nanjary nihoatra ny isan’ny mpifidy sy ny ao anaty lisi-pifidianana…)
– Mafy ny rafitra napetrak’i be ronono hanarahany ny voka-pifidianana ka manano sarotra ny hampiesona azy : mpiasa maro, mizara andraikitra (faritra sns), mitaky confrontation izy, mitaky hijery ny vokatra isaky ny birao, mandefa iraka sns.

4.2. Eo amin’ny vahoaka sy mpanohana :
– Tsy voafehy ny tambazotran-tserasera ka manameloka ny filalaovana ny vokatra avy any Vakinankaratra sy Analamanga (tokony tonga mialoha indrindra kanefa ny marainan’ny 13 novambra vao voarain’ny CENI).
– Mahatezitra ny mpanara-baovao ny fahalalana fa manodidina 4 000 isa ny BV anomalies (saika mpifidy efa ho 1 600 000 isa raha toa ka kajiana ho 400 ny ao anaty lisitry ny mpifidy isaky ny BV. Saika 750 000 mpandatsa bato kosa raha toa ka 50% ny taha-pahavitrihana). Mety ho foanana’ny HCC avokoa ireo birao ireo.

4.3. Eo amin’ny mpanara-maso :
– Namoaka tatitra manameloka an’ilaikely ny vahiny fa mividy vato hono. Risika lehibe ho azy fa mety ho “disqualifié” izy (lasa nandeha nihaona t@ ambasadaoro vondrona eoropena any hamono afo).

=> Raha ho tafiditra 2éme tour ilaikely (ny disqualification manery ny HCC), ho vitany ve ny hihazona ireny rythme fafikatrana vola ireny ? Hiala aminy ny mpomba azy eny antsaha raha tsia ? Be traikefa @ fifidianana i Be ronono ka fetsy famindra. Ilaikely kosa manabado ny malagasy, ary nahatoky vola, ka voafandriky ny paikany.

FB Madagasikara Sôsialisma