IST ho an’i Mbola Rajaonah – Ho very an-javony fotsiny

Andry Tsiavalona

Valo andro anio no tontosa ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Madagasikara. Misavorovoro tsy misy toy izany ny fiainam-pirenena eo am-piandrasana ny voka-pifidianana, tsy eo amin’ny sehatra politika ihany fa eo amin’ny fiarahamonina ihany koa. Niaraha-nahita ireny fihetsiketsehana nataon’ny kandidà iray ny harivan’ny androm-pifidianana iny. Niteraka resabe tokoa teo anivon’ny politisiana ary tsy nijanona teo ny fisehosehoana fa mbola mitohy any amin’ny haino aman-jery manohana azy, ka mivadika ho fandranitana adim-poko sy adin-tsaranga, hany ka mirongatra mirazotra amin’izany indray ny fakana an-keriny sy ny fanapariahana trakta hampihorohoroana ny mponina toy ny tao Ambohimalaza sy ny famoahana any amin’ny FB izao tsaho entina hanaratsiana kandidà hafa any amin’ny faritra afovoany andrefana any. Manoloana ny fitarazohan’ny famoahana ny voka-pifidianana avy ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) dia miahiahy ireo kandidà sy ny mpifidy manara-maso izany. Kandidà roa ihany no nandefa solontena eny amin’ity andrim-pajakana ity hanaraka amin’ny antsipiriany ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Fantara omaly fa niala an-daharana tsy hanao izany ireo solontenan’ny kandidà Rajoelina Andry. Tsy fantatra marina izay tena antony saingy manombatombana ny politisiana fa tsy ho afaka hamilivily sy hanao hosoka amin’ny vokatra marina intsony ny Ceni satria na tsy afapo amin’ny fomba fiasany aza ny Tim sy ny Kmmr dia tsy hiala ao amin’ny fanaraha-maso ary mitaky ny hamoahana ny vokatra isaky ny biraom-pifidianana mihitsy mba hahazoana hanao fampitahana aoriana raha ilaina izany. Manamafy izany koa ny fivoizana mafy any amin’ny tambazotran-tserasera ny nandraisan’ny mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana ity volabe avy tamin’ny kandidà nisintona ny mpanaramasony tao kanefa ho sarotra ny fanakanana ny vokatra marina tsy hivoaka rehefa jerena ny tontolo manodidina ity fifidianana ity. Mahalasa eritreritra ihany koa ny tranga ara-piarahamonina etsy sy eroa: fahamaizan’ny orinasa afaka haba mpanao lamba, karapanondro miisa zato mahery niparitaka teny ambany tetezan’i Tanjombato, fanapariahana vola sandoka, famoahana didy tsy ahafahana mivoaka an’i Madagasikara ho an’ny mpandraharaha Rajaonah Mbola, fahitàna grenady nilevina teny Ambohidratrimo. Tsy tongatonga ho azy ireo tranga ireo satria tsy vao izao no nisy ny haintrano saingy ny tsy itoviany dia saika trano hazo no may ka lazaina fa noho ny tsy fitandreman’ny mponina hatrany izy ireny ary tamin’ity indray mitoraka ity dia ozinina no nirehitra. Lasan’ny olona ihany koa ny tany niorenan’ireny trano hazo may ireny, ka mahalasa eritreritra ihany. Ireo karapanondro aman-jatony indray dia azo eritreretina ihany fa misy nifandraisany tamin’ny fifidianana kanefa mety ho fanakorontanana ny saim-bahoaka ihany koa satria raha nentina nangala-bato izy ireo dia azo natao ny nandoro azy rehefa avy nampiasaina ary toa mponina avy amin’ny toerana mifanalavitra ny tompon’ireo karatra ireo, ka tsy ho afaka nifidy tamin’ny toerana iray. Raha ny vola sandoka indray dia tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra no nisy ity tranga ity ka tena nentina nividy ny safidin’ny vahoaka tokoa, angamba, satria efa lany bala ny zatra nanao izany ary toa efa tsy mahaleo ny sarany intsony koa ny vidiny. Momba ny mpandraharaha Rajaonah Mbola kosa dia azo eritreretina ho fandemen-tsaina ihany satria nisafidy ny nanohana kandidà hafa tsy araka ny niheveran’ny mpitondra azy izy tamin’izao fifidianana izao dia azo antoka fa izay no antony, ary ny minisiteran’ny Atitany no mamoaka ny didy dia mazava ho azy avy amin’iza ny don-tandroka. Tsy dia mankaiza loatra anefa ity toe-draharaha ity satria ny eto Madagasikara dia avoaka ny didy saingy tsy misy ny fampiharana hentitra izany ka azo inoana fa ho very an-javony tahaka ny teo aloha indray izy ity. Raha ny resaka grenady dia efa manomboka indray izao ny fampitahorana sy ny fandrahonana amin’ny endriny maro samy hafa taorian’ny fifidianana izay mety hiafara amin’ny didin’ny be sandry toy ny fanaon’ny zatra barofo satria loza ny faharavana aterak’izany fitaovam-piadiana grenady izany. Na inona na inona anefa mitranga dia tsy hanaiky ny fanodinkodinana ny safidiny ny olompirenena tia Tanindrazana sy leon’ny vesatry ny fiainana nateraky ny fanonganam-panjakana.