08:30 > Sedera Ravalison – Antso ho an’ny komity mahaleotena

ANTSO HO AN’NY KOMITY MAHALEOTENA
Miely ny tsaho ary mandeha ny feo
Fa tsy mazavazava ny asanareo.
Koa miangavy, asehoy re ny mangarahara,
Satria ny tantara dia mbola hitsara.
Komity tsy miankina re ianareo
Ka ny vokatra marina no andeha omeo.
Aza mety ho voafatotry ny kolikoly,
Tohero tanteraka ny asan-devoly.
Ny vokatra marina  no aoka havoaka,
Sao ho avy eo indray ny hatezeram-bahoaka,
Fa tena tsy hisy eto izay filaminana,
Raha tsy manjaka  ny fahamarinana.
Ataovy ao an-tsaina fa misy ny tody
Izay mbola hitamberina toa ranomody.
Sao lahy  ny taranakareo any afara
No hibaby an’izany ka diniho tsara !
  SEDERA  RAVALISON (13-11-18)