EDITO 10 Novambra – CENI sy mpomba an-dRajoelina – Namerina ny fandemen-tsaina tamin’ny 2013 indray

Ny Valosoa

Namoaka fepetra mikasika ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) omaly. Mampisaritaka ny sain’ny mpanara-baovao ny fitanisana ny vokatry ny latsabato tontosa ny alarobia 7 novambra teo. Samy manana ny filazany ny tsirairay. Ny afitsoky ny haino amanjery mpomba ny kandidà Andry Rajoelina no tena mahavalalanina. Mamerina indray ny fomba fiady taorian’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa tamin’ny desambra 2013 izy ireo. Ny dokotera Jean-Louis Robinson sy i Hery Rajaonarimampianina no mpifaninana tamin’izay. Notohanan’ny filoha Marc Ravalomanana izay tratry ny sesitany tatsy Afrika Atsimo iry voalohany. Nanohana mivantana ny faharoa kosa ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Nitarika hatrany ny kandidà notohanan’ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ny mpanaradia azy tamin’ny fihodinana voalohany. Zendana anefa ny maro fa lasa nitsimbadika tampoka teo ny vokatra tamin’ny fihodinana faharoa. Nampiseho fa nitarika hatrany amboalohany ny kandidà Hery Rajaonarimampianina ny isam-bato novakiana tao amin’ny haino amanjerim-panjakana, salanisa ankapobeny. Vaky ihany anefa ny resaka taty aoriana. Nahazo baiko sy teny midina ny mpiasan’ny RNM sy ny TVM mba tsy hamaky mihitsy ny vokatra mampiseho ny fandresen’ny dokotera Jean-Louis Robinson. Izay fomba izay no nentina nanomanana ny sain’ny mpifidy azy fa efa hatrany amboalohany ka hatramin’ny farany izy no resy nandritra ny fihodinana faharoa.

Na tsy tena izay fomba izay aza no niseho tamin’ity taona ity dia tsy nanalavitra izay ny paika nampiharina. Mitarika i Andry Rajoelina araka ny vokatra vonjimaika avoakan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana CENI. Manasongadina izany ihany koa ny an’ny ekipan-dRajoelina sy ny hainoamanjery mpanohana azy.

Etsy an-kilany, ny foiben-toeran’ny Komity mpanohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR) dia mampiseho fa mitarika hatrany ny kandidà faha-25, araka ny salanisa ankapobeny araka ny vokatra voaangona hatramin’ny omaly hariva. Mitarika hatrany ny kandidà Marc Ravalomanana ary mety ho tafavoaka fihodinana voalohany na 1er tour de vita aza izy amin’izany.

Na izany na tsy izany, ny vokatra havoakan’ny HCC irery ihany no hamaritra ny tohin’ny tantara.