Kely sisa – Ho Filohan’ny Malagasy rehetra indray Ravalo

Sôh’son

Raha ny fijery ny voka-pifidianana hatramin’izao dia mandresy Ravalo, ao amin’ny QG-ny dia efa mitarika izy, matoa ny ekipan-dRajoelina manomboka manaratsy sy manenjika an-dRavalo dia efa ho resy koa izy izay. Io fandresen’i Dada dia tsy eto Antananarivo sy ny manodidina ihany fa manerana ny Nosy mihitsy. Mety mandresy Rajoelina sy Rajaonarimampianina amin’ny toerana samihafa, fa amin’ny ankapobeny dia i Dada indray no ho filohan’ny Malagasy rehetra, ary mendrika azy izany. Filohan’ny zaza izy, filohan’ny tanora, filohan’ny olon-dehibe, filohan’ny ray aman-dreny ihany koa… Voizin’ny 13 mafy mihitsy ny hoe Antananarivo sy ny manodidina ary Antsirabe ihany no tena nandany ny laharana-25. Lainga izany, fa araka ny vokatra vonjimaika etsy amin’ny QG-n’ny Tiako i Madagasikara amin’izao fotoana izao dia mitarika ny laharana-25 amin’ireto faritra ireto:
– Menabe
– Vatovavy fitovinany
– Amoron’i Mania
– Alaotra mangoro
– Marovoay (Boegny) 
– Ambato-Boeny
– Tsaratanana (Betsiboka)
– Fandriana (Amoron’i Mania)
– Ambositra (Amoron’i Mania)
– Ambatofinandrahana (Amoron’i Mania), sy ny maro hafa…

Miharihary fa lalaovin’ireo mpanohana ny kandidà laharana-13 ny tarehimarika amin’isam-bato azony ka anasàna ati-doha ny vahoaka Malagasy izay ataon’izy ireo ho bado mandrakariva. Tsy azo raisina ho fanetriben’ny firenena ve ny olona manana saina toy izany? Tsikaritra fa ireo tanàn-dehibe eto amin’ny firenena no isam-bato lalaovin’izy ireo amin’izao fotoana izao, ary ny eto Antananarivo odiana arirara. Tsy toe-tsaina ratsy ve izany? Izany ve no olona mihevitra hitondra ny firenena? Ho very lahy ity firenena ity raha sanatriavina tonga izany. Vao aty amin’ny fotoana torontoronina dia efa ratsy ny famoronana ka tsy efa fantatra ve ny havoakany eo? Tsy misy fahagagana eo fa sao dia ho diso hevitra izay manantenana azy. Efa niaraha-nahita ny dimy taona lasan’ny tetezamita sy niempohany nandritra ny efatra taona be izao tany ivelany tany tsy nanasoa firenena sy vahoaka tao anatin’izany, fa nandany ny harem-be azony teto. Fa iza no mbola azo fitahina ao anatin’izany? N’inona n’inona hambara, ho filohan’ny vahoaka Malagasy rehetra na an-drenivohitra na ambanivohitra, izay tena tiany ary arovany, Ravalomanana Marc, ary hanohy ny kinasany tapaka tamin’ny taona 2009.