Araka ny PV eo am-pelatanany, zon’ny kandida ny manome vokatra

Helisoa

Nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety mahakasika ny fizotran’ny famoahana ny voka-pifidianana ny komity mpanohana ny kandida Marc Ravalomanana KMMR tao amin’ny foiben-toeran’ny KMMR tao Bel’Air Ampandrana omaly, izay nahitàna ny  talen’ny fampielezan-kevitra, Rabenja Tsenoharisoa sy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa.

Nanambara ny talen’ny fampielezankevitra Rabenja fa mihemotra ALOHA ny fihaonan’ny kandida Marc Ravalomanana amin’Antananarivo tokony hatao anio, izany dia noho ny  resaka fandriampahalemana. Nanambara ihany koa  izy fa sahirana ny Malagasy ankehitriny amin’ny fahazoana vokatra avy amin’ny CENI. Hita ao anatin’izany ny fanovàna ny tena vokatra marina. Izay misy ny kandida sasany maharesy no avoaka. Mitarazoka tanteraka ny famoahana vokatra, ao anatin’ny 2 andro nahavitàna ny fifidianana dia biraom-pifidianana 1500 no ahazoana vokatra; nefa aty amin’ny QG KMMR efa mahatratra 14000. Ny loza dia tsy ahitàna ny antsipirihany ny famoahana ny vokatra  fa atao amin’ny ankapobeny fotsiny hoy izy. Noho izany, tokony hihezaka ny CENI mba hisian’ny famoahana ny vokatra ao anatin’ny mangarahara.

Ny solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa  indray dia  nanazava ny fiaraha-miasa amin’ny TVM sy ny RNM. Ny fantatra dia ny RNM sy TVM no mamoaka ny vokatra  avy any amin’ny CENI, re anefa fa nisy fizaràna vola tao amin’ity haino amanjerim-panjakàna ity izay niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera ary fantatray ny fisiany sy ny  olona nanome ny vola tamin’izany. Taorian’izay dia nangoron’entana teny amin’ny CENI ny  mpanao gazetin’ny RNM sy Tvm hoy Me Hanitra Razafimanantsoa. Taorian’izay anefa dia nanao fangataham-panazavàna teny amin’ny TVM, sy ny CENI ary ny PNUD ny kandida Marc Ravalomanana. Nahagaga fa taorian’izay dia niverina tany amin’ny CENI indray ny TVM sy ny RNM. Koa inona  marina no tiana ahatongavana amin’izany hoy Me Hanitra.

Namafisin’ity farany tamin’ny fandraisam-pitenenana nataonyfa ny PV avoakan’ny CENI amin’izao dia tsy misy hitarafana ny mandresy sy mpandresy amin’ny fifidianana satria vao ny 6% ny vokatra manerana an’i Madagasikara no voarainy. Mandeha anefa ny resaka fa efa misy kandida iray milaza fa mandresy. Zon’ny kandida tsirairay ny  manome vokatra  araka ny  PV eo ampelataniny fa ny CENI ihany no mamoaka ny vokatra vonjimaika. Tsy misy afaka milaza  ny kandida amin’izany fa mandresy izy.

Koa  mampitandrina izahay hoy Me Hanitra amin’ny resaka fikafika maro samihafa amin’ny zavatra tsy mety hilazàna fa mandresy ny kandida iray amin’ny vokatra izay tsy araka ny tokony ho izy. Izahay KMMR hoy Me Hanitra dia miainga amin’ny PV eo am-pelatanana no hikirakiràna ny vokatra, efa nasehonay ny PNUD io fomba fiasanay io hoy izy ary resy lahatra izy ireo .