12:30 > Antohomadinika Atsimo – CUA – Nanome tolo-tanana ho an’ireo may trano teny ny boriboritany I

Taorian’ny haintrano izay nitranga teny Antohomadinika Atsimo ny alakamisy 01 Novambra 2018 lasa teo dia tonga nitondra fanomezana ho an’ireo traboina, izay nahitana fianakaviana 62, ny solontenan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao RAVALOMANANA ny zoma teo. Tamin’izany indrindra no nanoloran’izy ireo vary, fitaovana an-dakozia, savony ho an’ireo traboina, teo ihany koa no nanararaotan’ireto farany nijerena ifotony ny zava-misy teny an-toerana ary ny nanaovana fanentanana ho an’ireo mponina mba tsy hiverimberenan’ny loza tahak’izao intsony. Anisan’ny vaindohan-draharahan-dRamatoa Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fampivoarana sy ny fijerena hatrany ny sosialin’ny mponina.