13:30 > Mahajanga – Vola sandoka antapitrisany maro no tratra

Vola sandoka mitentina 16 660 000 Ariary na 83 300 000 Fmg no tratran’ny polisy teo amin’ny bazary mahabibo ny alarobia 7 Novambra lasa teo.
Tovolahy iray 28 taona avy any amin’ny faritra Sofia iny no nitondra ary saika hanaparitaka io vola io teto Mahajanga.
Ireto ny isan’ireo vola:
▪ 20 000Ar miisa 676
▪ 10 000Ar taloha miisa 59
▪ 10 000Ar vaovao miisa 221
▪ 5 000Ar vaovao miisa 58
▪ 2 000Ar vaovao miisa 25

Noho ny loharanom-baovao no nahafahana nisambotra ny mpanao ratsy raha ny fanazavana avy amin’ny Commissariat Central eto mahajanga.

Sary Aldo (RTN Majunga)

FB 24h Mada