16:00 > Kandidà laharana 25 – Marc Ravalomanana – Resy lahatra i Gothlieb

Izaho , citoyen Gothlieb , olom-pirenena tsotra…. Andeha hifidy @ 7 novembre .
Tsy mifidy anjely aho, na olona lafatra. Réaliste be aho, eto an-tany tsinona. Fa fantatro izay andrasako aminy, izay ihany
NY AHY 25 MARC RAVALOMANANA ! 💯🇲🇬
VOTE UTILE no iantsoako ny vato alatsako .
Nomarihiko mialoha t@ fandehanako teny Mahamasina afak’omaly ….👌❤
Ireto ny antony :
▪ Manana vision be ilay rangahy, izany no tena hikohizan’izay mifanerasera aminy, mijery lavitra be ;
▪ Hentitra be manao zavatra, tsy tia môsimôsy izany , tsy misy ady hevitra ;
▪ Manana poigne be, discipline tsy mitsitsy. Bordel loatra tsinona izao kah !
▪ 69 taona, efa nandia fiainana, nanarin’ny fiainana, taonan’olona tsy misetrasetra intsony izany au volant ;
▪ Tena Malagasy e, tadidiko foana, misakafo any aminy ianao, tonga dia Malagasy milay : “Fa ny Malagasy aloha e” ;
▪ Mahatoky tsy mihambahamba aho amin’ny famoronana asa, hainy io ;
▪ Fa tena fihinana ny lalana miaraka aminy, ny foto-drafitrasa io resahiko io.
▪Ary farany, ny fandriampahalemana, tena reraka e. Mahatoky tsy mihambahamba koa.
Ary farany nefa tena zava-dehibe , efa niaiky sy nanaiky ny fahadisoany izy , t@ lafiny sasany ara-pitantanana sy pôlitika , fahadisoana niaraha-nahita , ary nataony ampahibemaso sy ren’ny gasy : Izy irery no sahy tamim-pahatsorana nanao izay . Voasedra mafy t@ maha-olombelona izy t@ fahasimban’ny fananana t@ 2009 sy ny sesitany tsy fidiny ta@ Afrika atsimo ( symbolique be )
Ireo ny antony naha-masaka ny safidiko . Tsy ho mpitazam-potsiny aho nefa na izany aza fa ho citoyen actif sy activiste toy ny efa naha-izaho ahy …. 💪🇲🇬

ARY NY ANAO, inona ny antony hisafidiananao izay hofidianao ? (Izay tianao mety daholo)

NB : Tsy dia commentaire momba ny safidiko no andrasako fa antony hisafidiananao ny anao . Tsy hanova safidin’olona tsinona no tanjona eto na hanova ny ahy ….Fa izay mba hevitrareo momba ny safidinareo ….dia mifamaky eo …( Izay any amparahatoky ny tsirairay avy eo …..malalaka )