15:00 > Efa am-perinasa i Dada – laharana 25 – Marc Ravalomanana – Fokontany Anosizato Atsinana Faritra Nanahazana

Faly ny mponina fa nahazo rano fisotro madio.

Tamin’ny taona 2009 no efa natsangan’ny mpitondra tetezamita ny paompindrano teny Nanahazana fokontany Anosizato Atsinanana Boriboritany faha-4. Tsy nisy rano nandeha akory tamin’izany fa trano foana fotsiny no nomena ny mponina.

Rehefa nandalo teny an-toerana ny kandida Marc Ravalomanana ny 20 septambra lasa teo dia nitaraina ny mponina tao an-toerana fa mijaly izy ireo noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio ao amin’ity faritra Nanahazana ao amin’ny boriborintany faha 4 ity.

Avy hatrany dia nanome toky ireto farany i Dada N°25 fa tsy maintsy tafiditra io rano io. Ka ny sabotsy teo dia efa nisitraka ny rano fisotro madio ny mponina tao Nanahazana noho ny fanomezan-toky nataon’ny kandidà Marc Ravalomanana tamin’izy ireo.

Nanolotra izany ny mponina teny an-toerana, ny solontena avy amin’ny KMMR, Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana, ny kolonely Mamisoa.