11:00 > CENI, tompon’andraikitra voalohany raha misy ny korontana

Ity sary ity dia nindramiko tao @ groupe TONTOLO PÔLITIKA ETO MADAGASIKARA.

Misaotra fa matoa izao no misy dia noho ny asa natao. Ary ita ireo koa ny tarehimarika sy ny fihovany.
Gaga hono ny Sadec ka manao famotorana ny fahamarinan’ireo tarehimarika any @ CENI.
Ny voalohanteny dia ny tokony hafantaran’ny vahoaka fa misy marina ve io famotopotorana any @ CENI io ? . Ny tompon’andraikitra ao amin’ny CENI irery no tokony sy afaka mampafantatra ny fahamarinan’izany amin’ny vahoaka.

Tompon’andraikitra tanteraka ianareo ao @ CENI raha sanatria ka hisy ny fizotran’ny fifidianana @ zavatra hafa. Tafiditra @ izany ny fitonianam-bahoaka sy ny vokam-pifidianana.
Tompon’andraikitra voalohany ihany koa ianareo ao @ CENI raha hisy ny korontana noho ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny fampijorona ny fahamarinana.

Tsy hisy sanatria ny resaka adim-poko eto amin’ity firenena ity noho izany raha toa ka hisy ny tsy fihetezan-javatra satria raharaham-pirenena no atrehan’ny vahoaka.
Fa ny hatahorana dia ny fivadikin’ny vahoaka @ ireo tompon’andraikitra rehetra. Manomboka ao @ lehiben’ny fokontany izany ka hatramin’ny lehiben’ny distrika . Ireo olona ireo no tompon’andraikitra voalohany raha misy ny tsy mahamaripototra ireo tarehimarika.ireo olom-boafidy (sy ny maire) dia tafiditra @ izany daholo.
Tompon’andraikitra ianareo ireo ka tokony hanamafy sy hijery ary hanamarina ireo tarehimarika ireo.
Raha sanatria hoy aho ka hisy ny korontana aorinan’ny fifidianana dia tsy ho adim-poko fa ny vahoaka sy ianareo ireo ary ny CENI no hifampitady.
Tsy aleo ve misoroka sy mifanaja isika sam y malagasy ka hampanjaka ny fahamarinana hatrany ???????
Tsarovy fa aman’etsiny ny olona maty tany Rwanda izay vao tonga amin’izao toerana misy azy izao ny vahoaka Rwandais. Azontsika malagasy atao tsara ny miala izany làlana mahatsiravina nodiavin’ny vahoaka Rwandais izany raha mifanaja isika samy malagasy.
Tsy voatery hoe hifankatia isika izay vao afaka hifanaja satria iarahantsika manana ity madagasikara ity fa tsy an’i babanao hoy ny fitenîn’ireo tanora efa manomboka leo koa samia mahay manaja tena.
Mitandrema ramalagasy , aza ahilika @ ireo vahiny hatrany ny antony mampahantra antsika vahoaka fa noho isika samy malagasy tsy mahay mifampihaino sy tsy mahay mifanaja.

FB Roger Razanakoto