17:30 > Amboasary Atsimo – Fahafaham-baraka be vava no nahazo an-dRajoelina

Samy niseho ho dadany tany amin’iny faritra Atsimo, Anôsy sy Androy iny ny kandida laharana faha-13 Andry sy faha-12 Rajao.

Tamin’ny faran’ny herinandron’ny 24 Oktobra iny, tranga nahatsikaiky no niseho tao Amboasary Atsimo. Niara-nitontona tany an-toerana ireto kandida roa lahy ireo. Andry Rajoelina no tonga aloha. Efa namory vahoaka. Ora vitsy taty aoriana tonga koa i Rajao. Tratry ny tsy nampoizina i Andry satria vao tonga i Hery, avy hatrany nirohotra nankeny amin’i Hery ny vahoaka. Tavela nangaihay ilay DJ. Sosotra, avy hatrany nandray ny angidimby, nitsoaka matanjaka. Afa-baraka tamin’ny fokonolona i Andry Rajoelina sy ny zanaka Mapar. Noporofoin’Ambosary Atsimo fa tsy mila izany Andry mpandrava izany ry zareo.

Amin’ny ankapobeny, fitiavana vidim-bola sy takalo tee-shirts sy spektkakla bôjo no hita vao miainga ity filohan’ny tetezamita tsy mahalala menatra ity.