Ankilizato – Kandidà N•25 Marc Ravalomanana – Notorahana ny elikaoptera

Misy kandidà manao izay heriny rehetra hanakorontanana.

Nisy nisompatra ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandidà laharana-25, Marc Ravalomanana tany Morondava tamin’y 29 Oktobra tao amin’ny kaominina Ankilizato.

Raha niomana handray ny kandida Marc Ravalomanana, laharana-25 ny mponina dia efa voaomana daholo ny fitaovana rehetra, na ny estrade na ny seza na ny sonorisation.

Tamin’izay no nisy andian-jiolahy tonga nanafika. Nandakandaka ny seza, nanapatapaka ny fils ary nitora-bato ny elikaoptera mba tsy ho tafidina.

Tsy nanaiky izany fanokorontanana izany ny mponina ka nanohitra. Tamin’ny fifandonana dia nisy maromaro no naratra.

Na izany aza dia tontosa ihany ny fihaonana tamin’ny mponina. Nitohy ny fampielezan-kevitra nataon’i Marc Ravalomanana.

Manambara ny talen’ny fampielezan-kevitra Rabenja Tsehenoarisoa avy ao amin’y QG KMMR Bel-Air fa mikaroka ny fomba rehetra iatrehana ny zavatra azo hanampiana ireo olona naratra na simba fanana na koa amin’ny fiatrehina ny ambaratonga eo anivon’ny lalàna satria fantatra fa fandikan-dalàna an-kitsirano no zava-bitan’ireo andian-jatovo ireo.