Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana – “Drone infra-rouge”, efa atao andrana hoy Dada N°25

Drone Infrared Imaging

Isambilo

Kaominina maromaro sy madinidinika tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy Amoron’i Mania indray no nanaovan’ny kandidà N°25, Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra ny faran’ny herinandro teo, hatramin’ny omaly.

Ankoatra ny tao Fianarantsoa tampon-tanàna, voatsidik’i Dada ny tao Mahasoabe, faritra Matsiatra Ambony Ambondromisotra sy Ambovombe Centre distrikan’i Manandriana faritra Amoron’i Mania, Andoharanomaitso, Ikalamavony, Ambalakely, Mahatsinjony, Sahambavy Matsiatra Ambony.

Izao no midika fa tena kandidan’ny vahoaka rehetra Dada N°25. Tsy ny tanàn-dehibe ihany no reseny lahatra hifidy azy amin’ny 7 novambra fa ny tantsaha maro an’isa eto amin’ny firenena indrindra indrindra koa.

Nambarany tamin’izany fa vonona ny hanova ny fiainanao aho: asa fa tsy kabary. Io no tena nahafantarana ny filoha Ravalomanana nandritra ny 7 taona nitondrany. Tsy tanteraka hatramin’ny farany ny Madagasikara am-perin’asa: MAP I, izay hany programa fampandrosoana tena nahomby teo amin’ny firenena. Mangetaheta ny hampivoatra ny fiainan’ny Malagasy tsy vaky volo ny tenany, ka izay no antony nirotsahany indray ho kandida.

Ny faran’ny herinandro teo dia nitsidika faritra maromaro ny kandida laharana faha-25, isan’izany Marolambo, Mahasoabe, Ambositra, Fandriana, Ambohimahasoa, Ambinanindrano, Ambalakely, Sahambavy, Mahatsinjony ary Fianarantsoa. Ankoatra ny famelabelarana ny Manifesto dia nasehon’ny kandida laharana faha-25, Marc Ravalomanana tamin’ireo vahoaka maro tonga nanotrona azy ireo fitaovana vaovao ho an’ny mpianatra Malagasy tsy vaky volo. Nahatsiarovana ny kandida Marc Ravalomanana ny fizarana ny kits scolaires tamin’ireo mpianatra eran’i Madagasikara ary ny fametrahana ny “cantine scolaire” ka nahatonga ireo zaza Malagasy navitrika namonjy sekoly.

Taorian’ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina dia fantatra fa 1,5 tapitrisa ny ankizy no tsy tafiditra an-tsekoly (tarehimarika avy amin’ny UNICEF tamin’ny Oktobra 2018). Ankizy iray amin’ny telo no mahavita fianarana ambaratonga voalohany. Niharatsy ny voka-pampianarana. Anisan’ny ratsy indrindra amin’ny lafiny fanabeazana raha aty Afrika ny toerana misy an’i Madagasikara.

“Fanamby lehibe no apetrako ho an’ny firenena Malagasy. Fidio Marc Ravalomanana, kandida laharana faha-25, fa hanova ny fiainanao aho” hoy ny kandida tamin’ireo vahoaka. Tsy ireo mpianatra ihany, fa nampahafantarin’ny kandida ihany koa ny vinany momba ny fananganana ny ivon-toerana lehibe ho an’ny tanora sy ny vehivavy. “Hatao moderina ireo ivon-toerana ireo ary hanaraka ny fivoaran’ny teknolojia. Efa misy ny “tablette” sy ny solosaina avy any Etazonia izay hampitaovana ireo ivon-toerana ireo”.

Momba ny fandriampahalemana izay tena marary ny mponina amin’ity faritra ity dia efa mandeha amin’izao fotoana ny andrana ireo “drone infra-rouge” any Ranomafana. Nanamafy ny kandida faha-25 fa dia hamerina ny firenena tan-dalàna eto amintsika hiveranan’ny fahatokisan’izao tontolo izao an’i Madagasikara izy.

Nandritra izao fitsidihany ny faritra Amoron’I Mania sy Matsiatra Ambony izao dia naka fotoana manokana ny kandida laharana faha-25 nitsidihana ireo mbola tsaboina ao amin’ny Hopitaly Be Antambohobe-Fianarantsoa taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao Mandalahy ny sabotsy lasa teo. Raha ny vaovao dia efatra ireo nodimandry nandritra ity voina ity, ka isan’izany ny mpanohana ny kandida faha-25 antsoina hoe HASIM.