Talen’ny seraseran’ny CUA – Kamiao lehibe miisa 10 no anampian’ny CUA ny Samva ho fanalana ny fako

Hiàla ireo fako mivangongo mameno tanàna ary hisy fiovàna tsy ho ela ny eto an-drenivohitra. Ankehitriny dia misy kamiao lehibe miisa folo (10) avy amina olon-tsotra, olona vonona ifanome tànana amin’ny kaomina, ary nanolotra ireo fiara lehibe ireo. Efa miasa amin’izao fotoana izao izy ireo manao tantsoroka amin’ny SAMVA ary misy ny fandrindrana asa eo amin’izy ireo. Tsy voafetra ihany koa ny fotoana ampiasàna azy ireo. Tsy fotoanan’ny fifanomezantsiny intsony izao, hoy Andriamatoa RAHARIVELO Tiana Harilaza, talen’ny serasera eo anivon’ny kaomina Antananarivo Renivohitra (CUA), fa ndao hiara-hientana ho amin’ny fanarenana ny tanàna ka tokony hifanome tànana isika.
Nentaniny ihany koa ny mponina mba hanaja ny ora fanariam-pako izay efa misoratra eny amin’ireny toerana fanariam-pako ireny, amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina ny ora fanariam-pako eto an-drenivohitra. Tokony hajaina ihany koa ny toerana misy ireo daba lehibe fanariam-pako fa tsy ariana eny ivelany rehetra eny ny fako. Raisintsika ho antsika tokoa ny tanàna ka dia samy tsy hisy hanarinary fako eny rehetra eny fa samy handala ny fahadiovana ny rehetra.