Belo-sur-Tsiribihana – 30 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Fantatro ny ahiahy, ny tebiteby, ny fahoriana, ny fahantrana mianjady aminareo.
Sivy taona no nandrasana ny fifidianana koa FIDIO i Dada amin’ny 07 novambra, laharana-25

Manana paik’ady tsara be isika hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Ity “manifesto”na ireo lisitry ny asa atao rehefa lany filoham-pirenena aho. Foanana ny tsy fandriampahalemana :
Amboarina ny lalana mankaty Belo Tsiribihina
Apetraka sy averina amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana. Inona no nahatonga izany tsy filaminana izany?
Tamin’ny 2009 dia nisy ny fanonganam-panjakana, noterena tamin’ny basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika aho hiala tao Iavoloha. Nisy olona mihoatra ny arivo ireo, lasa aho dia ireo olona ireo no teo amin’ny fitondrana, niparitaka ny basy, hampanofainy ny basy. Talohan’ny 2009 tsy nisy ny kidnapping, tsy nisy natory any an-tsaha izany ianareo.

Izao no vahaolana mahomby ataoko rehefa fidinareo aho:

Averina ny fandriam-pahalemana, arovana ny olona, ny fananany, ny taniny.
Apetraka ny fitsarana tena mitsara marina.
Vatsiana fitaovam-piadiana moderina ny mpitandro filaminana na “drones”
Tsy maintsy miara-miasa akaiky amin’ny fokontany sy ny kaominina ny mpitandro filaminana.
Mamoaka lalàna tsy mahazo manondrana omby intsony isika.
Hatsangana ny Police de police hanara-maso ny mpitandro filaminana sao azon’ny fakam-panahy hanao kolikoly.
Hiantohana ny fahasalaman’ny mponina
Hampianarina ny zanantsika ka vatsiana “kits scolaires”
Ireo tanora tsy afaka nanohy ny fianarany nandritra ny fanonganam-panjakana dia homena fampiofanana arak’asa mba hahazo asa.
Omena aron’akanjo ny ankizy mba hitovy daholo ny zanaka Malagasy.

#fidio_25_dada