14:00 > TV PLUS – Voakarama hamoaka vaovao mitanila ve?

Raha ny voatsikaritry ny mpijery ny haino aman-jery TV Plus dia mibaribary ny fivohizana vaovao mitanila na diso mihitsy aza, ka mihezaka ny hanafina ny fahombiazan’ny kandida laharana-25 Marc Ravalomanana. Tsikaritra fa miray petsapetsa amin’ireo mivohy vaovao mitanila ary diso mihitsy aza.

Nolazaina fa kandida enina no misongadina amin’ny famoriam-bahoaka:
1-Rajoelina
2-Rajaonarimampianina
3-Mahafaly Solonandrasana
4-Jean Ravelonarivo
5-Jean Max Rakotomamonjy
6-Roland Ratsiraka

Atao angamba fa tsy jamba sy marenina ny mpanao gazety ao amin’ny TV Plus raha ny zavatra niseho teny Mahamasina sy teny Ambohijatovo, raha tsy ny hita taratra eran’ny ny Nosy eo amin’ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandida laharana-25, Marc Ravalomanana.

Ny azo tsoahina aloha amin’izao dia fanahy iniana afenina ny fahombiazan’ny kandida Marc Ravalomanana eo amin’ny fampielezan-kevitra sy eo amin’ny MANIFESTO izay velirano ifanaovany amin’ny vahoaka. Matahotra ireo mpambotry ny firenena.

Eo amin’ny kihon-dalana ny firenena ka mahaiza misafidy. Ny resy lahatra aloha dia efa “tsy voavidy vola”, ary re nanakoako izany teny Ambohijatovo. Dia mbola ho re koa izany amin’ny faha-3 Novambra eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Antenaina fa hisokatra ny maso sy ny sofin’ny TV Plus amin’io andro io.