12:30 > Rajoelina – Praopagandy mampiesona

PROPAGANDY MAMPIESONA

Mafy tena mafy, izany te-ho lany ho filoha
Ka ‘zay tonga ao an-tsaina, dia lazaina avokoa
Misy tena esona, no ambara an-karihary
Ka ireo ‘zay tsy afa-mandinika, dia mitehaka sy faly
Isaky ny EPP hono, hasiany fiantsonan’ny fiara
Am’zay ny mpianatra rehetra, ho tonga ara-potoana fa tsy tara
Dia mihoby ry tsisy saina, satria tsy mandinika intsony
Hoe firifiry ny sekoly, tsisy rindrina akory !
Dia efa misy hono satelita, voaomana hanara-maso
Ireo omby tsirairay, ‘zay angalarin’ny malaso
Any ankodahoda any anefa, na tele aza tsisy
Dia ny omby indray no hasiana “puce”, hanofàna “kanal plisy”
Lery aloha dia tena enjana, raha hi blabla sy oay a oay
Ny delestazy aza tsy mety foana, nefa ampanantenainy “tramway”
Dia heverin’ny mpihoby, fa mandeha amin’ny rano ity fitaterana
Ka mikiaka sy misioka, ny hosana hosana re tsy ferana.
Sady tsy mba takatry ny sainy, fa tsy Antananarivo ihany anie no Gasikarana
Ka ny any amin’ny “la côte”, tsy azo hasiana zavatra mba tsara
Ary hataon’ny tambanivolo ahoana moa, ny hanantena “building”
Anefa ny ati-vilaniny anio aza, tena zara raha misy inona
Raha milaza ‘zao lery hoe : “tompokolahy sy tompokovavy,
Hafindrako eto Iarivo, ny port any Tamatavy”
Dia hitehaka iry doma, falifaly sy hihomehy
Ato anaty fesiboky, manao hoe “13 ihany OK OK”.

Ny fitanisàna ny marina, tsy midika hoe fanaratsiana
Fa fanokafana ny saina, hijery alavitra, any aoriana.

FB Hasina