Propagandin’i Dada N°25 – Fantaro ny fahombiazany tamin’ity herinandro ity

Isambilo

Fahombiazana tanteraka ny propagandy na fampielezan-kevitra nataon’i Dada, na ny kandidà Marc Ravalomanana N°25 tamin’ity herinandro ity. Hipoka olona avokoa ny fihaonana tamin’ny vahoaka izay nataony tamin’ireo faritra maro nolalovany, na tamina fokontany io, na tamina kaominina, na tamina renivohitra distrika. Faritra 7 no voatsidik’i Dada tamin’ity herinandro ity dia ny faritra Anôsy, ny faritra Androy, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, ary Matsiatra Ambony. Tamin’ireo faritra 7 nolalovany ireo dia voatsidiny hatramina fokontany madinika mihitsy. Omaly dia isan’ny voatsidiny Alakamisy Ambohimaha, Alakamisy Itenina. Nihaona taminy ary resy lahatra amin’ny programan’asany Ifanadiana, Vondrozo, Midongy Atsimo, Sahasinaka, Fotadrevo, sy ny maro hafa,… izay toerana anisan’ny lavitra andriany eto Madagasikara. Tanàna 8 eo isan’andro no voatsidik’i Dada, arak’izany efa ho toerana miisa 60 eo ireo vahoaka ao aminy no nihaona tamin’ny kandidà Marc Ravalomanana, izay tena kandidam-bahoaka tokoa.

Nisongadina tamin’ireo toerana rehetra nolalovany fa mangetaheta fiainana milamina ny Malagasy rehetra. Dada ihany no vaha-olana amin’izany hoy izy koa fidio ny nomerao 25 ny 7 novambra izao. Ankoatra ny fihaonana mivantana tamin’ny mponina, tao  Ihosy,  nitafa  tamin’ny  mpanao  gazety ny  kandidà Marc  Ravalomanana, ka navoitrany tamin’izany fa mila  fivoarana  sy mangetaheta fiainana milamina ny Malagasy.

Toerana 216 no nalehany teto an-toerana ary tany Etazonia, sy Erôpa ary Azia izy, nanampy izany ny firesahana amin’ny nahafahana nandrafitra ny “Manifesto” na fanomezan-toky ataony amin’ny Malagasy. Naverimberina tamin’ireo tanàna nandalovany fa ady ny fifidianana kanefa manana tropy kinga sy matanjaka ny  kapiteny, mpitari-tafika Marc Ravalomanana ary manana  paikady ihany koa, ka «entano ny olona hifidy », hoy izy, ka « hatao izay hampandaniana an’i Dada ». Nandritra izany ihany koa no nampahafantarany ny mponina ilay «Fanomezan-toky »  izay  paikady hoentina hampandrosoana an’i  Madagasikara no nataony. « Manantena  aho,  hoy ny kandidà Marc Ravalomanana, tao Farafangana fa ho 80% ny vato homenareo ahy”. Nampanantena ihany koa izy fa hanangana orinasa hanodinana ny vokatra satria tany mamokatra i Farafangana ary hitady lalam-barotra hanondranana izany. Ny mponina tao Lokomby kosa dia nangataka ny hanaovana an’i Lokomby ho Distrika. Ho hita eo izany, hoy izy, fa hiverina aty aho dia hampahatsiahy aminareo hoe: “ity ilay nifanarahantsika”.