Antanambao Manapotsy – 19 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Tonga teto Antanambao Manampontsy aho manohy tsy an-kijanona ny fampielezan-kevitra. Hitako ny tsiky sy haravoana eny aminareo, manantena sy mino isika fa hahazo fandresena.
Voasoritra ao anatin’ny fanamby sy fanomezan-toky “manifesto” izay voarakitra anatin’ny drafitra MAP 2 fa “amboarina indray ny lalantsika” erak’i Madagasikara, isan’izany ny eto aminareo. Hanangana indray foto-drafitr’asa isaky ny faritra mba hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra ary hanamafisana ny firaisam-pirenena .

#FIDIO_MR_25