7 Novambra 2018: Andro iray hisafidianan’ny Malagasy indray ny làlan-kizorany

Andry Tsiavalona

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka ho fandresen-dahatra ny mpifidy izay ho filoham-pirenena ny eto Madagsikara amin’izao fotoana izao. Kihon-dàlana hamaritra izay ho avin’ity Firenena ity io datin’andro io. Tsy ho mpijery olona manao tantara fotsiny ny olompirenena mahatsiaro tena fa misy fiantraikany eo amin’ny fiainany ny fisafotofoton’ny rivotra politika eto amin’ny Firenena, ka handray andraikitra amin’ny fandehanana mifidy sy misafidy izay olona heveriny afaka hanavotra ity Firenena ity sy hisintona ny vahoaka Malagasy avy ao amin’izao lavaky ny fahantrana izao. Samy milaza ho manana paikady hamoahana an’i Madagasikara amin’izao toerana misy azy izao ireo kandidà 36 ary samy manaiky fa ny fifidianana ihany no làlana hahatanteraka izany. Ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra anefa no iraisana hevitra fa hahatongavana amin’izany. Ny olana anefa dia misy kandida 22 mitaky ny fanokafana ny lisitry ny mpifidy izay heverin’izy ireo fa tsy tomombana araka ny tokony ho izy. Iaraha-mahalala anefa fa raha izay no tanterahina dia tsy maintsy hihemotra izany ny fifidianana. Ny mampieritreritra dia toa tsy misy mihetsika manao fampielezan-kevitra loatra ireto kandidà ireto, ka noho ny tsy fananana ho enti-manao izany ve no antony, sa noho ny fiheverana fa efa tsy hahatafaverina ny antoka dimapolo tapitrisa ariary dia aleo mampisavorororo aloha. Mety tsy ho tongatonga ho azy ny lozam-piarakodia nihàtra tamin’ilay kandidà tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana teo aloha tamin’ny làlam-pirenena faha-5A  sy ny fanafihana ilay kandidà vehivavy tany Ivato Centre dia tena misy manao izay tsy hahatanteraka ity fifidianana ity mihitsy. Ny zavatra azo antoka aloha dia mizotra mankany amin’ny fifidianana ny toe-draharaha satria na ny Vaomiera Manokana Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), na ireo kandidà vitsivitsy dia efa tsy mitsahatra manao fampielezan-kevitra sy mandresy lahatra ny mponina amin’izay tanàna andalovany mba hifidy azy. Amin’ny ankapobeny koa ny vahoaka dia toa efa vonona haneho ny safidiny na dia tsy rototra loatra amin’ny fanamarinana ny anarany ao anaty lisitra aza. Raha ny haino aman-jery no jerena dia misavoritaka ny saim-bahoaka satria izay miseho amin’ireo kandidà dia toa babany avokoa ary toa manaiky hifidy izay mandalo ao an-tanànany ny mponina. Ny zavatra azo antoka anefa dia efa samy manana izay safidiny ka handrotsahany ny vatony any an-tsainy any avy ny tsirairay. Heverina ihany koa fa afaka mamerina ao an-tsainy izay nitranga sivy taona lasa izay sy ny zavatra niainany tao anatin’izany fotoana izany ny rehetra ka tsy ho sodokan’ny fary indray mifika sy ny patsa indray mahandro ary ny fampanantenana volana aman-kintana. Andro iray hamaritana ny fiainana mandritra ny dimy taona ny 7 Novambra 2018, ka na hisafidy ny hiroso ho any amin’ny tsaratsara kokoa na hiverin-dàlana hizotra amin’iny làlan’iny indray.