Antananarivo – Sabotsy 20 Oktobra – Karnavalomanana – Carnaval Marc Ravalomanana, kandidà laharana 25

Manomboka amin’ny 9 ora maraina hisy ny fitetezana ny tanàna, izay miainga avy amin’ny toerana maro. Ny hafatra dia hisy ny lohan’ny Karnavalomanana ho tazana satria hisy hira sy feo fanentanana, ka dia mila manaraka fotsiny.

Ary manomboka amin’ny 1 ora tolakandro (Narison kely eo amin’ny kianjan’Ambohijatovo, dia hanentana ny mpanakanto: Marion, Tarika Green, Ra-kiki, Bodo, Ambondrona sy ny hafa maro.

Ary indrindra indrindra, ho avy eo ny kandidà laharana 25, Marc Ravalomanana.