17:00 > CAN2019 – 1-0 – Arahabaina ny Barea nandresy ny Nzalang Nazional, ekipan’i Guinée Équatoriale

Eo amin’ny lalao fanintsanana Groupe A amin’ny amboaran’ny firenenan’i Afrika eo amin’ny baolina kitra CAN2019 dia nihaona tamin’ny Nzalang Nacional ekipan’i Guinée Equatoriale ny Barea tamin’ny Barea androany 16 Oktobra teny Vontovorona.
Nandresy 1-0 ny Barea ary misokatra ny varavarana amin’ny dingana manaraka, na dia mbola hisy ny lalao miverina mihaona amin’i Soudan (16 Nov 2018) sy i Sénégal (22 Mar 2019).
Madagasikara sy Sénégal no miakatra amin’ny Groupe-A.