Faritra Sofia, Diana, Sava – Hampandresy an’i Dada N°25 ny rehetra nolalovany

Isambilo

Kaominina sy distrika maromaro any amin’ny faritra Sofia, Diana ary Sava no notsidihan’ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana tamin’ity herinandro ity. Tany Antsohihy, Bealanana, Mandritsara, Analalava, Ambanja, Nosy-Be, Sambava, Antalaha, Andapa, Amboangibe,… izy tamin’izany. Tsapa tamin’ireo faritra rehetra nolalovany fa resy lahatra hifidy ny filoha Marc Ravalomanana N°25 ireo rehetra izay nolalovany. Fametrahana fiarovana mahomby amin’ny lafiny fananan-tany, fanamboarana indray ny lalana hivezivezen’ny vokatra sy hisian’ny fampandrosoana, fametrahana fandriampahalemana azo ianteherana amin’ny alalan’ny Fanomezana fitaovana sy fiofanana harifomba ho an’ny mpitandro ny filaminana, ary fiantohana ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana sy ampy, fiantohana ny fahasalaman’ny mponina izay tsy manana fahefa-mividy tahaka ny taloha intsony. Ireo no votoatin’ny « fanomezan-toky » na « Manifesto » nazavain’ny kandidà laharana faha 25 , Marc Ravalomanana, tany amin’ny tapany avaratry ny nosy ny roa andro lasa teo. Ny Distrikan’i Sambava tao amin’ny tanànan’Amboangibe, Andapa, Antalaha  no notsidihin’ny kandidà laharana-25, Marc Ravalomanana, omaly Zoma 12 oktobra 2018 maraina. Ny ilany Avaratra Atsinanana indray izany no hanamafisany ny “Manifesto” na ilay “Fanomezan-toky amin’ny vahoaka”,  nanomboka io andro io.Ary satria mifamatotra ny fanomezan-tsakafo sy ny fahasalamana dia nilaza ny kandidà fa « tsy maintsy karakaraina ny vahoaka ho salama aloha dia homena sakafo. Fitsaboana manaraka ny teknolojia vaovao, fanamboarana ny fitaovana fiterahana, ny toeram-pitsaboana, ny tobim-pahasalamana rehetra (CSB), hamboarina ny hopitaly satria tsisy fitaovana intsony any satria na “serum” aza dia vidin’ny marary ». Nanome toky ny kandidà Marc Ravalomanana fa « haverina ny tetikasa fampianarana satria io fampianarana io no tena fototry  ny ain’ny firenena tena vanona ». Efa nisy rahateo ny voalazan’ny MAP momba izany ka hotohizana izany. “Rehefa tsy mahay, bado ny olona dia tsy misy firenena vanona izany. Noho izany, hoy izy, dia tsy maintsy hampianarina daholo ny zanatsika. Haverina, ohatra, ny “éducation pour tous”, fitaovam-pianarana toy ny “kits scolaires”, fanofanana ny mpampianatra,  fandrindrana ny fampianarana hifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa. Nandritra ny  fitsidihany tao Bealanana ny alakamisy lasa teo dia nasongadiny fa tsy mendrika ireo faritra ny lalana misy ankehitriny ary ao anaty « Manifesto » ny fanamboarana indray ny lalana hahafahan’ny vahoaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Be mpamboly vary koa iny faritra iny ka nanomezan’ny kandidà laharana faha 25 toky fa hatao izay ametrahana paikady manokana amin’ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo amin’ny alalan’ny fandrindràna ny vidim-bary.