Hadihady – Ilàna traikefa ny fananganan-javatra

Sôh’son

Maro ny zavatra tsy ampy sy banga eto amin’ny firenena ity raha eo amin’ny filàna amin’ny sehatr’asa. Iray lehibe amin’izany ny tsy fisiana firy amin’ny fanorenana asa, toy ny orinasa, ozinina, indostria. Lesoka lehibe teto amin’ny firenena io nandritra ny taona maro, ary mety amin’ireo firenen-dehibe maro any ivelany toa an’i Frantsa, izay rangory fototry ny afo amin’izany tamin’ny fotoanan’ny fanjanahantany, izany fahalemena izany. Nisy ireo mpandraharaha Malagasy no niezaka ho amin’izany taty aoriana, iray amin’izany ny filoha Ravalomanana Marc, izay niezaka nanangana sy nanorina orinasa lehibe miaro ny voninahitry ny Malagasy, ary namelona mpiasa sy mpiara-miasa marobe. Indrisy anefa, fa noho ny toe-tsaina mirefarefa amin’ny ory hava-manana, dia ninian’ireo olom-bitsy norobaina, nopotehina, nodorona ireny orinasa ireny, tamin’ny taona 2009. Tsy fahavoazana ho an’ny tompony irery izany hetraketraka sy hasomparana ratsy izany fa nanjo ny vahoaka Malagasy sy ny firenena manontolo. Iaraha-mahita tsara izany fahavoazana izany mandraka ankehitriny. Aman’hetsiny maro ireo Malagasy very asa vokatr’izany ary ny fiantraik’izany ny fijotsoan’ny toe-karem-pirenena sy ny sosialim-bahoaka ary ny fiharian-karena amin’ny ankapobeny mihitsy. Tsy nahita rirany tamin’ny fanarenana ny fanapotehana nataony tamin’ireo orinasa Malagasy maro, ary misy ihany koa an’ny vahiny, ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina izay naharitra dimy taona ngarangidiny be izao. Tsy niova ny isan’ny tsy an’asa, ary nanampy isa ireo very asa ireo tanora vita fianarana isan-taona miditra eo amin’ny tsenan’asa. Vokatr’izany ny fitomboan’isan’ireo mpivarotra amoron-dalana, tsy teto afovoan-tanànan’ny renivohitra ihany fa nanerana ny moron-dalana rehetra teto Antananarivo sy ny manodidina (n)ahitana izany avokoa. Mora ny manapotika fa sarotra ny manangana. Any amin’ny tsy mahavaha olana amin’ny takian’ny vilanin’ny isan-tokantranon’ny vahoaka Malagasy sisa no hany nihazakazahana tamin’ny alalan’ny vola tsy fanta-pototra mazava tamin’ireny fotoana ireny.  Mbola tsy nisy afitsoka ihany koa anefa ny fitondrana Hvm, niditra ny taona 2013. Nihalalina ny olam-bahoaka sy ny firenena eo amin’izay filàna asa mahavelona izay noho tsy fisian’asa tsara sy azo antoka. Na lazaina ho nisy aza, ndeha atao hoe nisy izany, ny orinasa nitsangana, dia toy ny rano indray mitete kely tsy hitan’ny tany ngazana, fa ny eo ihany no eo; na ihany koa toy ny fanafody pilina parasetamôla no entina manasitrana aretina homamiadana. Izany no sary hita nandritra izay nitondran-dRajaonarimampianina sy ny ekipany izay. Tsy nisy fihenany firy ny tahan’ny tsy fananan’asa tao anatin’ny dimy taona farany izao. Mariky ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Hvm miharihary io sehatra iray io. Ny olona manana ny toe-tsaina efa zatra manangana ihany no afaka hanangana orinasa sy ny firenena efa milofika izao. Ny tsy mbola nanao izany hatramin’izay teto amin’ny firenena mbola hikitsapatsapa amin’ny fakàna traikefa. Ny efa nandrodana sy nanapotika ihany koa tsy hahita lalana mazava amin’ny fanasoavana ny very asa tsy novakiana loha hatramin’izay fa resabe avokoa ary fandrebirebena ny aseho ho hitam-bahoaka.