EDITO 11 Oktobra 2018 – Fitondrana tsy mahafehy sehatra mamoritra ny vahoaka Malagasy

Sôh’son

Tsy mahafehy ny vely kibay asesiky ny sandry be mibahana ny toe-karena maneran-tany ny mpitondra firenentsika mitana fahefana ankehitriny. Tsy manan-kambara ny fitondrana mihambo ho mahavita sy mahay noho ny hafa dimbiasiny fa manaiky tsy sazoka ny vidy faritana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Iray lehibe amin’izany, ohatra, ny vidin-tsolika, izay ahitana tanteraka ny fahalemen’ny fitondrana Hvm. Manaraka am-bokony fotsiny, fa tsy mahita izay atao ho fiarovana ny toe-karem-pirenena sy ny fahavoazan’ny vahoaka. Porofon’izany, tsy maintsy manatratra ny vidy marina amin’ny vidin’ny solika ny firenena ary iaraha-mahita io ny fiakaran’ny vidin’ny solika eny amin’ny mpaninjara. Dia iaraha-mahita tsara ihany koa ny fiakaran’ny saran-dalana izay misy fiantraikany lalina any amin’ny aty vilanin’ny isan-tokantranon’ny vahoaka Malagasy.

Efatra taona tsy nahitam-pahombiazana izany ny fitondrana Hvm, ary sivy taona nijotsoan’ny firenena. Mahavariana ny mandre ny banky iraisam-pirenena naneho tatitra fa teo amin’ny 5% hatrany ny tahan’ny toekarem-pirenena ny enim-bolana voalohany ary tsara ny fitantanana. Sarotra inoana izany ary zary mampanahy ny fanadihadiana ataony ho an’ny mpandalina maro. Mahatonga ny fisainana io hahatsiaro ireo firenena sahy niala teo ambany gejany sy ziogany, toa ny Nosy Maorisy. Manana mpahay ara-toekarena maro ny firenena, ary misy tena mahay, kanefa tsy hita soritra ny fahaizan’izy ireny mamoaka ny firenena ao anatin’izao fahantrana lalina izao.  Moa matahotra ny mpanao politika mpitondra fanjakana, ka miaro ny sezany sy tombontsoany manokana? Ireo mpanao politika mpitondra rahateo tao anatin’ny sivy (09) taona farany izao tsy mahita rirany amin’izany na miseho ho ao anatin’izany sehatra izany aza. Tsy voafehy ny sondro-bidim-piainana, tsy voafehy ny fiakaran’ny vidim-piainana mamoritra hatramin’ny farany ny vahoaka Malagasy. Kely endaka tsy misy hafitsoka ny fitondrana manoloana ny fijaliam-bahoaka sy ny olana ara-tsosialy iainany isan’andro. Ohatra iray lehibe miharihary amin’izany, ny fijaliam-bahoaka maka fiara fitaterana taxibe rehefa mody amin’ny alina  toy ny eny amin’ny Sicam Tsaralalana. Tsy fahaiza-mitondran’ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina, nitohy tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ary mandraka ankehitriny izany. Tsy misy miasa saina izany fijaliam-bahoaka izany ary tsy laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny ihany koa.

Mampihomehy, araka ny fiteny sisa, ny mihaino ny olona miaro fatratra azy ireo amin’izao fotoana izao n’inona n’inona hambarany. “Baolina maty ny anay”, hoy ny mpijery baolina; ny fandrosoan’ny firenena hita miharihary miantraika any amin’ny aty vilany sy ny kitapom-bolany no porofo n’inona n’inona fanadiovan-tena, sy izay hambaran’ny mpanohana azy. Izay nanangan-javatra teto ihany no afaka hanohy ny asa momba izany, fa sarotra inoana izany ho an’ny efa nandrava.