Vondrona Eoropeana – Tonga ireo mpanara-maso ny fifidianana hiasa mandritra ny fotoana tsy voafetra

Tonga eto amintsika amin’izao fotoana izao ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona Eoropeana, izay hiparitaka manerana ny Nosy mandritra ny fotoana tsy voafetra, hanara-maso ny fifidianana filohampirenena hatao eto amintsika ny 7 novambra ho avy izao.

Andiany voalohany miisa 40 no tonga eto amintsika hatramin’ny sabotsy teo, izay handeha hiasa hanara-maso ny fifidianana amin’ireo faritra 22 eto amin’ny Nosy, sy ireo distrika 119.

Toy ny fifidianana tamin’ny taona 2006 sy 2013 dia nasaina hanara-maso ny fifidianana eto amintsika ny avy amin’ny Vondrona Eoropeana. Hiofana mandritra ny 3 andro eto an-drenivohitra aloha izy ireo, momba ny lalàna, ny politika, ny momba ny fifidianana, sy ny serasera, izay manokana ho an’i Madagasikara. Rehefa izany, hiparitaka manerana an’i Madagasikara izy ireo, ka hiasa tsiroaroa mandritra izany, hijery amin’ny antsipiriany ny fanomanana ny fifidianana eto amintsika, indrindra ny fampielezan-kevitra, sy ny fanaraha-maso ny fifidianana mialoha, sy mandritra ary ao aorian’ny fifidianana ny 7 novambra 2018 io.

Hiara-hiasa amin’ny CENI sy ny tompon’andraikitra isanisany koa izy ireo amin’izany.