EDITO 9 Oktobra 2018 – Fampielezan-kevitra: misy tsy mahatanty demokrasia sahady

Rina Rabemananjara

Fa iza no tsy mahatanty Demokrasia? Iza no tsy mahazaka ka vao manomboka ny fampielezankevitra dia manaratsy ny hafaTsotra ny valiny! Matoa haratsiana dia atahorana, matoa finganina dia heverina fa hironan’ny fon’ny olona. Gaga ny tena amin’ny olona manao izany fihetsika izany ankehitriny satria miampanga tena amin’ny fahalemeny sahady. Fa angaha moa ny fahaizana manaratsy ny hafa no hambaboana ny mpifidy fa tsy ny programan’asa? Efa zatra mipetsompetsona ny olona mpanaratsy ny hafa ka diso fiantefa izany amin’izao fampielezankevitra izao. Ny Kandida Marc Ravalomanana no enjehan’ny sasany fa tsy mampihontsona ny kandida laharana faha25 izany, ny mpanohana azy rahateo mavitrika hatrany, tsy mba taomina amin’ny fiara na omena vola na zaraina moto fa manohana noho ny fitiavana sy ny faharesen-dahatra. Aleo lazaina ny marina fa ireo olona nanao hadalana teto amin’ity firenena ity no matahotra fadiranovana ny fahalanian’i Dada, ao ny nandroba ny harem-pirenena, ao ny nandoro trano tamin’ny 2009, ao ny mpaka tanin’olona, ao ny mpandainga, mampanantena an’izatsy sy zaroa tamin’ny fotoan’androny kanefa fampanantenana poakaty. Efa mahalala ny tokony hataony ny Malagasy ka tsy azo rebirebena intsonyIarahantsika mahita eo ny valin’ny fifidiananafa lasan’ny Kandida Marc Ravalomanana ambongadiny io, sa ahoana hoy ianao ?